Ny Valosoa Vaovao FB
Ny Valosoa Vaovao
Tolombahoaka - Serasera sy tranonkala
28/03/2024- Analakely ... TohinyFintinina
- Likes: 3
- Shares: 0
- Comments: 0
0 CommentsComment on Facebook
Raharaha Romy Voos Andrianarisoa (tohiny)
Ny zoma 10 mey 2024 no andro voafetra iatrehana ny fitsaràna farany ivoahan’ny sazy.Raharaha Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha (tohiny)
Ny Valosoa
Tamin’ny alatsinainy 18 marsa teo no nandrasana ny famoahan’ny fitsarana “Southpark Crown Court” ao Londres, mikasika ny didy sy ny sazy manameloka an’i Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha. Noho ny antony tsy voambara dia nahemotra amin’ny volana aprily ny fitsaràna ary amin’ny andro mbola tsy voafetra.
Tsiahivina fa tamin’ny 10 aogositra 2023, i Romy Voos Andrianarisoa izay talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina, mbola teo am-perinasa sy ilay mpiray tsikombakomba taminy Philippe Tabuteau, no voasambotra ary notazomina am-ponja tany Londres, rehefa tratra ambodiomby nitaky vola mitentina 261.000€ sy anjara 5% tamin’ny orinasa mpitrandraka vato Gemfields, takalon’ny fanomezana fazahoandalana hitrandraka eto Madagasikara.
Araka ny lalàna anglisy momba ny koliloly voafaritra ao amin’ny “Bribery Act (2010)” dia mety ho voasazy an-tranomaizina hatrany amin’ny 10 taona ity talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha ity. Andrasana amin’ny volana aprily ho avy izao ny tohin’ny tantara.
www.gvalosoa.net/2024/03/25/raharaha-romy-voos-andrianarisoa-talenny-kabinetrani-andry-rajoelina-...
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
27/03/2024-Rivodoza Gamane.Alarobia 27 Martsa 2024 - 17h
▶ Zay vao nanomboka nihetsika i GAMANE 🌀 ka ao amin'ny distrikan'Ambilobe ao amin'ny kaominina Ambakirano izao no misy ny foibeny.
▶ Mihena hatrany ny heriny ka mitondra rivotra 90 km/h sy tafiotra 125 km/h izy manodidina ny 30 km miala ny foibeny.
▶ Fa ny orambe mandifotr'olona 💧💧💧 kosa mbola hitohy hatramin'ny rahampitso Alakamisy alina 😥 ho an'ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa sy Analanjirofo.
▶ Mikasika ny mety ho làlany dia vinavinaina hizotra hianatsimo somary Atsimo Atsinanana izy anio alina ka hamakivaky ny ilany Andrefan'ny distrikan'i Sambava ary ny distrikan'Andapa sy Maroantsetra rahampitso Alakamisy mialohan'ny hivoahany an-dranomasina ao amin'ny distrikan'i Antalaha. Ny Zoma izy izany vao hanalavitra tanteraka an'i Madagasikara.
Mankahery hatrany fa tena Grave izy ity ✊
Cyclones à Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
27/03/2024- Rivodoza Gamane𝙁𝙄𝙇𝘼𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙊𝙆𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙍𝙄𝙑𝙊𝘿𝙊𝙕𝘼 | 27 Martsa 2024 _ 06 ora maraina
☑️ Niditra an-tanety tamin’ny 06 ora latsaka fahefany tao amin’ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan’i Vohemar ilay Cyclone Tropical GAMANE. 150 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra mahatratra 210 Km/ora ao anatin’ny 40 Km manodidina ny foibeny.
☑️ Marihina fa kely ny velaran’ity rivodoza ity ka saika amin’ny tapany Avaratry ny Distrikan’i Vohemar no ahitana ny rivotra mafy. Mikisaka mianandrefana somary Atsimo-Andrefana izy ka mahafaka 07 Km/ora.
📕📕 Filazana fampitandremana miloko mena na loza mitatao : Diana sy Sava;
📒📒 Filazana fampitandremana miloko mavo na loza manambana: Ambatosoa sy Analanjirofo..
⛔️ Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antsiranana sy Mahanoro sy eo anelanelan’i Analalava sy Antsiranana mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony⛔️
🔑 Météo Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
26/03/2024- Rivodoza Gamane.𝙁𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙉𝘿𝙍𝙀𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙃𝘼𝘽𝙀𝙏𝙎𝘼𝙃𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙍𝙊𝙏𝙎𝘼𝙆𝙊𝙍𝘼𝙉𝘼 | 26 Martsa 2024
⚠️‼️Tombanana hitondra rotsak'orana betsaka any Atsinanana, Alaotra Mangoro ary ny ilany atsinanan’i Sofia ilay rivodoza GAMANE. Tombanana hahatratra 50 hatramin’ny 120 mm ao anatin’ny 24 ora ny tahan’ny rotsak'orana amin’ireo toerana ireo.
♦️ Fe-potoana : ny 28 Martsa 2024 hatramin’ny marainan’ny 29 Martsa ho an’i faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary ny distrikan’i Mandritsara, Befandriana Avaratra sy Bealanana.
♦️Faritra voakasika :
🟡🟡 Filazana fampitandremana miloko mavo : faritra Atsinanana sy ny distrikan’i Mandritsara, Befandriana Avaratra ary Bealanana.
🟢🟢 Filazana fampitandremana miloko maitso : Alaotra Mangoro.
♦️ Fanamarihana
🟡🟡 Filazana loza manambana miloko mavo mahakasika ny #rivodoza ho an’ny faritr'i Diana, Sava ary Analanjirofo.
🔑 Météo Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
Inona ny ratsy nataony? Valio io mba ho dinihanay vahoaka nifidy azy fa manana ny rariny ianareo. ... TohinyFintinina
2 CommentsComment on Facebook
Izany velotsara izany izao ilay ho henjehin'ny olona eny antanimbary fa mba ity aho eto!
Rehefa tsy manao ny sitrapony Dia nanao ratsy izay
Tsy hita mihitsy itony rehefa resaka fanasoavam-bahoaka fa kosa raha vao olona milaza ny marina dia mailaka ery hanongana, hanagadra sy hisambotra.TGV : Mangataka ny ampiharana ny and.72 anesorana an'i Pan tsy ho solombavambahoaka intsony
Nanao fanambarana manoloana ny mpanao gazety androany alatsinainy 25 martsa 2024 ny Sekretera nasionalin'i antoko mpanohana ny fitondrana TGV, Hery Rasoamaromaka, sady Governoran'ny Faritra Analamanga, ny ampiharana ny andininy faha 72 ao amin'ny Lalampanorenana, manesotra ny maha solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, izay voalaza fa tsy manaraka sy tsy mitovy hevitra amin'ny vondrona politika nahavoafidy azy.
Izany moa no nitranga taorian'ny nilazan'i Filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa, izay nanao fanambaràna, nanoloana ireo fiarahamonim-pirenena, antoko politika maro, sy fikambanana maro, olo-be sy mpitondra fivavahana ny sabotsy teo teny Tsimbazaza, fa mijaly ny vahoaka, tsy araka ny fampanantenana fiovana no nisy nandritra ny 15 taona, olona no olana, ary misy vaha-olana azo ampiharina anarenana ny firenena izay latsaka anatin'ny fahantrana tanteraka, ka hiazonan'i Madagasikara ny laharana farany maneran-tany.
(Sary nindramina)
gasypatriote@gmail.com
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote
... TohinyFintinina
14 CommentsComment on Facebook
Ts mahagaga
Ireo toerana filalaovana eran tanana izay tokon tsy andoavana vola taloha, ankehitriny lasa ry lerony makan apaosiny ny vola, Mampalahelo an
Governora koa aza tsy anaty constitution
Ketrika reh zao
Zay ko mangataka ny hampiharana article 42 ao @ lalam-panorenana mikasika ny code de la nationalité
Ts hataon zareo otran nanao van ani pdt ani senat ku io zao???
I pasteur Zaka no solution
Tonga teto isika tanampolo
Hihena 40 kilao ialahy ity rehefa miala ao fa atavezo tsra aloha ny tena!
Gisa homanketsa
DE INONA ZAO NO MAHADISO AN'IZAY NAMBARAN'NY PAN ZAY
Mb menatra Ragova
Iza io? Zanakao aho pasitera. Ah! Ah! Ah!.
Hianareo mianakavy miaraka amin - dRajoelina Cedric vazaha no mila miala fa tsy Rtoa Christine Razanamahasoa izay nilaza ny fahamarinana noho ny fampahorianareo ny vahoaka Malagasy. Ary tsarovy fa vatobe niantota tamin 'ny lohan - dRajoelina iny fanambarana nataon ' i Rtoa PAN iny, koa raha mbola manao be mokondoha eo hianareo, dia ho tahaka ny nanjo an ' i Abimeleka ny loza hanjo an - dRajoelina ! Vakio ny voalazan 'ny Baiboly ao amin 'ny (Mpitsara, 9 ; 53 - 57), fa marina ny voalazan 'ny tenin 'Andriamanitra. Koa tsy aleo ve mibaboka rehefa tsy mety ny natao e !!!
Tsimbazaza, 23 marsa 2024 – Fihaonana amin’ ireo hery politika – Lahatenin’i Christine Razanamahasoa (PAN)
Ny Valosoa
Fijalian’ny vahoaka Malagasy
“Tsapako sy henoko ireo fitalahoana. Tsapako sy reko ny fitarainana amin’ny fahasarotan’ny fiainantsika. Reko ny tarainanareo tanora. Reko ny tarainanareo rehetra izay tonga eto. Tsapako ary reko ny ady amin’ny fiainana.”
Tolombahoaka notarihana 15 taona lasa
“Tsy izao mihitsy no nifanarahana tompoko o, raha nanao ny tolombahoaka, ny tolon’ny Malagasy 15 taona lasa izay. Velom-panantenana tamin’izany, fa amin’izao fotoana izao, firenena faran’izay mahantra i Madagasikara. Tsy izany no nampanantenaina.”
Fitaka ny tolona nahatongavana hatrany Ambohitsirohitra
“Ny tena marina, dia toy ireny jamba hiala amin’ny maizina ireny izahay tamin’ny tolona natao teny an-dalambe, ka nahatsapa hoe efa nisy ihany kay izany ny fitaka. Fa izahay angamba no vendrambendrana, ka dia nandeha am-pinoana sy am-pahatokisana.”
Sarintsarina fahafahana no hita taorian’ireny tolona ireny
“Ilaina ampahatsiahivina ve ny niakarana tao Ambohitsirohitra ka nilazàna fa hoe hody fa sao dia … fa izahay kosa izay teny dia nandeha tao anaty finoana tanteraka. Dia izay te-handala ny natao hoe fahafahana, dia nanjohy an’Ambohitsirohitra. Kinanjo, fandrika tanteraka ny tao. Kinanjo “pseudo” fahafahana no hita sy noraisina.”
Fijoroana sy fampanenoana lakolosy
“Ao anaty fitondrana anie aho e. Ianareo ihany no miteny hoe “légitime no sady “legal” ianao. Kanefa tsy voatery noho ny fahasarotana miantso sy manery, na ao ny “légitimité” na ao ny “légalité”, dia tsy maintsy mijoro mampaneno lakolosy , manambara ny fahasahiranana sy ny loza mitatao ho an’ity tanindrazantsika ity.
Tsy miray tsikombakomba amin’ny fitondrana vahoaka amin’ny lalana tsy izy
“Adidiko ny milaza an’izany satria olomboafidy aho tompoko o. Mihaino ny feon’ny vahoaka anay. Vahoaka no nahatongavana amin’izao maha-solombavambahoaka izao, ka tsy ho tsiny aho tsy hiray tsikombakomba kosa amin’ny fitondrana ny vahoaka any amin’ny lalana izay tsy izy.”
Antso hiaraka hanome vahaolana ho an’i Madagasikara
“Inona àry ny vahaolana? Aza miandry ny vavako hiteny ianareo. Fantatro ny ao an-tsainareo. Fantatro ny ao am-ponareo, ny ao am-po tsy miloaka. Izao fangirifiana izao dia mitaky ampitso hiova.
Koa raha mitovy ny mamparary antsika, raha mitovy ny fitiavantsika ity tanindrazantsika, Madagasikara ity, raha mitovy ny eritreritsika, tarito aho, tantana aho, ampio aho, ampio handray fanapahankevitra amin’ny fanovàna olompirenena.”
Mbola hitohy ny fihaonana amin’ny hery politika toy ny natao tamin’io fotoana io teny amin’ny Antenimierampirenena hoy i Christine Razanamahasoa.
fb.watch/r122O3Hz3H/
www.gvalosoa.net/2024/03/25/tsimbazaza-23-marsa-2024-fihaonana-amin-ireo-hery-politika-lahatenini...
... TohinyFintinina
5 CommentsComment on Facebook
Tsara rehefa mifoha am8n ny torimaso, fa tsy miesona mandrakizay, Bravo!
Mieux vaut tard que jamais, merci PAN
Efa niverina avy any Frantsa ve vao nahare? Fa nisy inona ny sofina taloha? Avoahay ny secret-n'ny 2009 dia mino ny zavatra lazainao aho!
Efa tapitra May hatr@trano ve vo amôka entana enao e !!?? Tsis fika tsony io fa samia mahereza
Tsy firy andro zao io de amoronana dossier indray 😞
Raharaha Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha (tohiny)
Ny Valosoa
Tamin’ny alatsinainy 18 marsa teo no nandrasana ny famoahan’ny fitsarana “Southpark Crown Court” ao Londres, mikasika ny didy sy ny sazy manameloka an’i Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha. Noho ny antony tsy voambara dia nahemotra amin’ny volana aprily ny fitsaràna ary amin’ny andro mbola tsy voafetra.
Tsiahivina fa tamin’ny 10 aogositra 2023, i Romy Voos Andrianarisoa izay talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina, mbola teo am-perinasa sy ilay mpiray tsikombakomba taminy Philippe Tabuteau, no voasambotra ary notazomina am-ponja tany Londres, rehefa tratra ambodiomby nitaky vola mitentina 261.000€ sy anjara 5% tamin’ny orinasa mpitrandraka vato Gemfields, takalon’ny fanomezana fazahoandalana hitrandraka eto Madagasikara.
Araka ny lalàna anglisy momba ny koliloly voafaritra ao amin’ny “Bribery Act (2010)” dia mety ho voasazy an-tranomaizina hatrany amin’ny 10 taona ity talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha ity. Andrasana amin’ny volana aprily ho avy izao ny tohin’ny tantara.
www.gvalosoa.net/2024/03/25/raharaha-romy-voos-andrianarisoa-talenny-kabinetrani-andry-rajoelina-...
... TohinyFintinina
2 CommentsComment on Facebook
Matoa mihemotra Dia ao rah ambadika ao. Tsy mahalala ireo mal gache ireo angah
Izay ifananreo any. Gadrao any, aleo ihatra aminy ny lalana.
Aloavy ny karaman’ny mpiasa! ... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Ny momba ilay filoha rajoelina hoe mampanantena inona ? Fa ianareo koa anie mora ambakaina e!
29/03/2024. Fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947.
Tsara ho fantatra ny tantaran’ny hira «Madagasikara Tanindrazanay».
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Ny zaza adala ratsy taiza sy tsy mahalala tantara no sahy manaonao foana manova ilay hira, sady efa misy ilay rôrô koa moa ankehitriny ka tsy mahagaga !
8 martsa 2024 – Ambositra, Ambalavao – Andro Manerantany ho an’ny Vehivavy
Ny Valosoa
Nanamarika ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ny tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny alakamisy 8 martsa 2024. Distrika 18 no nandray anjara tamin’izany, nanehoan’ireo vehivavy fa ny reny Malagasy dia: « mitandro ny hasin’ny aina ary mampanjaka ny fahamarinana mba hisian’ny fitoniana sy ny soa ho an’ny taranaka ».
Tamin’ny taona 1848 tany Etazonia no teraka ny hetsika notarihana vehivavy amerikana roa izay nahasarika olona amanjatony. Ny taona 1975 vao niditra ho andro fankalazana eo anivon’ny Firenena Mikambana. Isan’ireo mankalaza ny andron’ny vehivavy i Madagasikara ary natao ho andro tsy fisian’ny vehivavy ny 8 martsa.
Ny andro manerantany ho an’ny vehivavy dia nentina hankalazana ireo zavabita ary hanabeazana sy hanamafisana fototra ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy.
(sary: Ambositra sy Ambalavao)
www.gvalosoa.net/2024/03/08/8-martsa-2024-ambositra-ambalavao-andro-manerantany-ho-anny-vehivavy/
www.qppstudio.net/public-holidays/madagascar.htm
en.m.wikipedia.org/wiki/International_Women%27s_Day
www.internationalwomensday.com/about#:~:text=Marked%20annually%20on%20March%208th,lobby%20for%20a...
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
08/03/2024
Andro fankalazana ny zon’ny vehivavy. Tsy fanaka malemy ny vehivavy fa manan-jo tahaka ny lehilahy. Takio ny zonao!
... TohinyFintinina
7 CommentsComment on Facebook
Rehefa miady bus dia aza miteny an'ilay hoe "LES FEMMES D'ABORD" intsony ary 🤣🤣🤣🤣🤣🤣🤣🤣
Ampamanio mitsangana jerena
Vady be menomenona hono mampalaina ny mody an-trano e, méditation.........
Rehefa tsy kizitina sy mila vaniny fotsiny dia mety aminay
Fantaro izay takianao fa aza langalatahaka fotsiny n'y efa an'ny lehilahy kkkk
Zoan'ny vehivavy l resaka kanefa miady hitovy ao am' Lahilahy!!!!?????? kkkkk
Ao fa fanaka mahery zay ko ve de hatao ho olana.ao fa mafy be nareo vevavy.ajanony @ zay le izy@ heritaona
Raharaha Mbola Rajaonah. Ny heloka nataony ve mihoatra ny heloka nataonareo mianakavy ao, nefa ianareo rehetra migalabona tsara? Alefaso lavitra ny saina. Ny ratsy atao loza miantona!Voasazy 2 taona an-tranomaizina indray i Mbola Rajaonah.
Gazetiko
... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Maninona rafanja raha tonga dia atao au poteau mihitsy rehefa zay no tanjonareo a.Lany andro mamorona anzao cinéma isankarazany zao fotsiny nareo🙄😱
😳???
Loza😢😢
Tena oka kosa lele!
Tao aorian’ny fisamborana an’ny lehiben’ny
ARFM dia nofoanana ny hetsika saika atao tao Mahamasinana satria tsy nahazo alalana.
Hita amin’izany fa tsy tompon’ny taniny intsony ny Malagasy.
Vazaha no tompon’ny fahefana. Tsy atao mahakivy izany fa mitohy ny tolona. Ny firaisankina no hery!
... TohinyFintinina
6 CommentsComment on Facebook
Tsy ho avotra mihitsy ty firenena ty mba marina e
Nanomboka oviana moa ny grevy na fitakiana na fihetseketsehana no mila alalana ?
Gouverneur Général de France
Ary mbola nampadohaliana azy izy nanao fanambarana....
Atody tsy miady amam-bato eh , Zandarim-poza tsy maintsy mamoritrà koa, nandray n'y volan'i Rasedy ntsinona koà ,miaro n'y sezany h@ farany
Ataony be boty hein.....
Inona ny heloka nataony? Nanondrana volamena sa bois de rose antsokosoko?Nanao kolikoly? Tsy azo ekena izao. Avohay haingana! ... TohinyFintinina
5 CommentsComment on Facebook
Zay mpampaneno lakolosy rehetra asain' Cédric vazaha Rajoela sy Christian NTSAY samborina daholo Satry manelingelina ny fanindranany n' harempirenena miafina
Ataovy ihany tompoko fa arakaraky ny hamafin'ny herisetra ataonareo no hamafin'ny valikitsaka hahazo anareo!
Ray aman-dreny de sahindry lerony atao anzao,tena kivy pro max ah🤦🏻♂️
Ny fampiasana hery dia midika fahalemena
Apokay amzay lacrimozenne
21/02/2024- LONDRES- Raharaha Romy Voos Andrianarisoa (tohiny)
Voahelokin’ny fitsaràna britanika amin’ny kolikoly nataony tamin’ny « Multinationale britannique Gemfields » ramatoa Romy Voos Andrianarisoa.
Amin’ny 18 marsa 2024 no hivoaka ny didim-pitsarana.
... TohinyFintinina
9 CommentsComment on Facebook
Hummmm
Izy aza hanaiky higadra irery, hisolo vaika ny akalana anynkoh! Sitra-po fa tsy aretina
Natao sorona izy izany
Raha te ho afaka soaamantsara izy,dia Tokony lazainy ny marina.
Mety tafiditra @ n'io Rajoelina matoa mihezaka mamono lolo ny mpombazy @fb ato sady mety tsy sahy hiteny ny tena marina ry kiala Romy
Ty to antitra be sa tsy le romi io 🤔🤔🤔
Aiza kosa Dia Olona 2 fotsiny vé no tafiditra amin'io Angano bé Io ...IZY no trimobe s'y sohitika AO!!!Zao no tena ILAINA n'y PAC s'y n'y bianco!!!sa fehezin'i Trimobe s'y kotofetsy...
Vaovao tsy mari-pototra....ary tsy mampino raha tsy ny viva mihintsy no mamoaka azy🤣
Aiza kosa e! Aza MBA atao izany!
ASABOTSY 24/02/2024 AMIN’NY 9 ORA MARAINA KIANJABEN’I MAHAMASINA ANTANANARIVO. FIHAONAMBE HO FIATREHANA NY FIRENENA SY NY ZO AMAN-KASIN’NY VAHOAKA. MADAGASIKARA HO AN’NY MALAGASY. ... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Anontanio tsara aloha sao efa nofandrihiny fikambanany zanaka Mapar anaovany fifampiharabàna taona vaovao ny kianja @ io daty io🤣
TONGAVA MARO. NY FIRAISANKINA NO HERY.
Kianjaben’i Mahamasina – Asabotsy 24 Febroary 2024 – Fihaonamben’ny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasin’ny vahoaka Malagasy
“Malagasy rehetra miara-manangana firenena vanona miaraka amin’ny Zanahary”
Ny Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy (ARFM), ny fikambanana BAAM (Betsileo, Antesaka, Antandroy, Antanosy, Antandroy, Makoa), ny Grand Sud, ny Triangle du Nord, ny Imerina enintoko sy ny vondronkery mpiaradia, dia manasa antsika vahoaka Malagasy tsy vakivolo rehetra manerana ny Nosy fa tonga ny fotoana andraisana an-tanana ny firenena, hanatontosa fihaonana manoloana ny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasin’ny vahoaka.
Ny toerana dia eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Asabotsy 24 Febroary 2024 manomboka amin’ny 9 ora maraina.
Alefa Madagasikara, Malagasy amin’izay!
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2024/02/20240224-ARFM-Mahamasina-Fihaonambe.mp4
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2024/02/ARFM-20240213-TaratasyFampahafantarana.pdf
www.gvalosoa.net/2024/02/18/kianjabeni-mahamasina-asabotsy-24-febroary-2024-fihaonambenny-fiatreh...
... TohinyFintinina
3 CommentsComment on Facebook
✊🇮🇩🇲🇬
Aza mihemotra intsony fa tohozo Ilay tolona hatrmin'farany e
Alex Randriamahefa Nampoina Andriamihamina Zakandretsa Randriamihajatina Joseph Ruskin Robeny
❌ FILAZANA LOZA MANAMBANA 🟡(Miloko MAVO) amin'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano SISAONY.
⛔️FILAZANA NY FANDEHAN'NY RANO ETO AMIN'NY LEMAK'ANTANANARIVO TAMIN’NY 6ORA HARIVA.
Source: APIPA
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
16/02/2024- Toetry ny andro.𝙁𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙉𝘿𝙍𝙀𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙃𝘼𝘽𝙀𝙏𝙎𝘼𝙃𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙍𝙊𝙏𝙎𝘼𝙆𝙊𝙍𝘼𝙉𝘼 | 16 Febroary 2024
❌❌❌ Hitohy hatrany ny rotsak’orana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ka tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany.
▶️FILAZANA FAMPITANDREMANA : fahabetsahan’ny rotsakorana.
▶️FE-POTOANA : anio 16 Febroary hatramin’ny 18 Febroary 2024 ho an’ny faritra Sofia, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, ny distrikan’i Fandriana, Ambositra ary Manandriana. Ny Sabotsy 17 Febroary hatramin’ny Alahady 18 Febroary 2024 kosa ho an’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana.
▶️FIANTRAIKANY : fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro, fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany.
▶️FARITRA VOAKASIKA :
📒📒 Filazana fampitandremana miloko mavo: faritra Atsinanana.
📗📗 Filazana fampitandremana miloko maintso: Sofia, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, ny distrikan’i Fandriana, Ambositra ary Manandriana.
Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. ❌❌❌
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
15/02/2024- Toetry ny andro.𝙁𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙉𝘿𝙍𝙀𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙃𝘼𝘽𝙀𝙏𝙎𝘼𝙃𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙍𝙊𝙏𝙎𝘼𝙆𝙊𝙍𝘼𝙉𝘼 | 15 Febroary 2024
❌❌❌ Hitohy hatrany ny rotsak’orana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ka tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany.
▶️FILAZANA FAMPITANDREMANA : fahabetsahan’ny rotsakorana.
▶️FE-POTOANA : anio 15 Febroary ho an’i Boeny, Betsiboka, Diana, Sava, Sofia, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Bongolava, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro ary ny ilany atsinanan’i Amoron’i Mania. Ny Zoma 16 Febroary ho an’i Atsinanana sy Vatovavy; ny Sabotsy 17 Febroary ho an’i Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana ary ny Alahady 18 Febroary ho an’i Analanjirofo, Atsinanana, ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Itasy, Analamanga ary Betsiboka.
▶️FIANTRAIKANY : fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano, firodanan’ny trano sy fihotsahan’ny tany.
▶️FARITRA VOAKASIKA :
📒📒 Filazana fampitandremana miloko mavo: faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny, Alaotra Mangoro ary ny distrikan’i Maevatanana sy Tsaratanana.
📗📗 Filazana fampitandremana miloko maintso: Sofia, Diana, Sava, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Atsimo atsinanana, ny ilany atsinanan’i Amoron’i Mania ary Mandritsara.
Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. ❌❌❌
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar
... TohinyFintinina
0 CommentsComment on Facebook
Madagasikara – Volamena – Ho fehezina toy ny lavanila ve ?
Nangonin’i Lanzelo
Tsy zohina amin’ny vahoaka malagasy intsony ny gaboraraka manodidina ny volamena, raha tsy hilaza fotsiny ireo fanondranana tratra tany Afrika Atsimo na tatsy Nosy Kaomaoro. Tamin’ny taona 2020 anefa dia nofoanana ny halalana manondrana volamena ivelan’i Madagasikara entina hanadiovana ny tontolo manodidina ny volamena “hono” satria tsy miverina eto amin’ny firenena ny vidin’ireo volamena voaondrana. Kinanjo inona no zava-mitranga fa niha-nahazo vahana ny fanondranana antsokosoko ary tsy mety voasambotra mihitsy ireo tambozotra izay fantatra fa miray petsapetsa amin’izao fitondrana fozaorana izao.
Tamin’ny taona 2022 dia nofaranana ilay fanafoanana. Ankehitriny dia kasaina ho sokafana amin’ny “fomba ofisialy” ny fanondranana volamena, ka miisa enina ireo orinasa omen’ny fitondrana halalana manao izany. Ao amin’ny “Mining Business Center” ao Ivato no misy ny “guichet unique” izay toerana tokana tsy maintsy handalovan’ireo orinasa manomana ny fanondranana volamena.
Ireto avy ireo orinasa mahazo manondrana volamena:
– Madagascar Mining Co, an’i Sylvain Rakotondramazava
– Madgama International Group, an’i Abdul Majeed Atamutty
– Gold Trading, orinasa misoratra ao Antsiranana, an’ny frantsay Bernard Soufou
– Classic Real Stones, an’i Henintsoa Rakotojanahary sy Marie Manampisoa
– Catalyst Capiral Partner, an’i Anil Gulshan Lal Bindra
– SOA Gold, nitsangana tamin’ny taona 2021, an’i Sylvain Rabetsaroana, loholona teo aloha, mpanolotsaina akaikin’i Mamy Ravatomanga.
Ity orinasa farany ity no mampanahy ireo mpandraharaha ao anaty ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany noho ny tranga niseho tanaty ny tontolon’ny lavanila. Tamin’izany no nampiasa i Mamy Ravatomanga entina hifehezana ny tsenan’ny lavanila ka nosakanany ny fanomezan-dalana ireo mpanondrana. Mitohy hatrany ny asan’ny fozaorana.
(Africa Intelligence, 8/2/2024, “Madagascar – Or : la short list des entreprises autorisées à exporter”)
www.gvalosoa.net/2024/02/08/madagasikara-volamena-ho-fehezina-toy-ny-lavanila-ve/
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Traffic légalisé no atao ka ! Efa nandefa 1,300 T de tsy misy réactions ny vahoaka de légaliser na amin'zay !
Tena marina! Famefena maloto sisa ny lokon’ny saina Malagasy. Vazaha marina no mitondra....
By Tia Tanindrazana
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
metsy tsy nieritreritra izany akory izy angamb eee
📌𝐍𝐘 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona 𝐈𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐀 𝐍𝐈𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐄 𝐒𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘.
⏺Hampiakarina eny amin'ny HCC ny raharaham-pitsarana momba azy araka ny didy savaravina navoakan'ny fitsarana androany. Mihemotra amin'ny 12 martsa araka izany ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha anenjehana azy.
Herintaona sazy miantona kosa ny sazy ho an'ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy. Tsiahivina fa voatazona am-ponja vonjimaika ny dimy tamin'izy ireo.
©️ I-BC News
... TohinyFintinina
1 CommentComment on Facebook
Io zao lalaovina Dia andrasana tapitra mandat izy tsisy immunité tsony de midoboka amnzay avy eo
Raharaha Berija Ravelomanantsoa.BERIJA RAVELOMANANTSOA
NIVOAKA NY FONJA ANDROANY
Nivoaka ny fonja rehefa nanefa sazy 44 volana teny Antanimora. Tapitra ny sazy 44 volana nitazomana azy tao amin'ny amponjan’Antanimora nanomboka ny volana jona 2020, nivoaka androany Ravelomanantsoa Be-Rija. Fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotra sosialy Facebook, tamin’ny fotoanan'ny Covid-19 ireny no nanenjehana azy ho maniratsira fitondram-panjakana sy nanakorontana saim-bahoaka.
(sary indramina)
... TohinyFintinina
2 CommentsComment on Facebook
Arabaina fa tafavoaka soamatsara 🙏🙏🙏
Arahabaina tompoko tafavoaka SOA aman-tsara .!
06/02/2024- Raharaha Romy Voos Andrianarisoa (tohiny).
Miakatra fitsarana androany any Londres ramatoa Romy Voos Andrianarisoa.
Voatonona tamin’ity raharaha kolikoly avo lenta ity ny anaran’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga.
Nilaza ny mpisolovava fa mahafantatra tsara io raharaha io Andry Rajoelina ary voahiraka amin’ izany ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Ho fantatsika eo ihany ny tohiny.
... TohinyFintinina
30 CommentsComment on Facebook
Hamarino tsara
Tompo o. Asahehoy ny marina. Reseho. Ny. Ratsy. Vonjeo ny fireneko. Amen
Miandry ny Vaovao tena izy.
Andriamanitra ô Ireo mpangalatra mpanodikodim-bolam-bahoakam-bahoaka mampitondra faisana ny Malagasy faizo-nao. AMEN
Miandry zay fivoaran'ny raharaha zahay madinika
Tsy mazava!!!!! Makany ve Andry Rajoelina sy Mamy ravatomanga sa tsia.
Tokony tonga dia samborina dia gadraina raha izany
Izay manao ny tsy mety dia aoka mba hahazo sazy sahaza izay nataony. Aleo hivoaka ny marina
Miandry ny rariny e
gadrao fa manimba ny tany
Miandry isika vahaoka malagasy rehetra
Miandry fatratra ny vaovao izahay ary tena manantena fa hivoaka ny marina !
Enganie mba tsy itovy ny fitsarana eto M
koa Rajoely aza eto dago tsy vonona ny ho any akory angamba ko inona no eo nareo falifaly nefa izy tsy taitra akory io mdm io te ho any eo ko
Miandry vao2 aviany mihitsy ô
Efa zan fona ny vaovao heno fa d miandry izay tohiny zan ny vahoaka
Miandry fa gasy e
IRETO IZANY ILAY KOLIKOLY SY LAINGA TONGA NOFO
Ny foza ihany disa no tsy mahalala na minia tsy mahalala io vaovao io.
Hafaliana Razafimandimby aon ty 😂
DIA AHOANA NY TOHINY???
Miandry tohiny
Ry mafia isany
Miandry daolo zan
NY IRINAY, DIA HO AFAKA MADIODIO IZY E. Tsy mety amiko izany malagasy Gadrain'ny vazaha zany, surtout manja kely mlay kely ôtran'io, HO AFAKA MADIODIO IZY E ZAY NO ANGATAHANA @ANDRIAMANITRA. amen.
ARFM – Tolona famerenena ny tany ho an’ny Malagasy – Antaninarenina – Hanomboka talata 6 febroary ny fitokonana faobe
Ny Valosoa
Mijoro, sahy ary miroso ireo raiamandreny avy amin’ny ARFM (Antenimieran’ny Raiamandreny sy Foko Malagasy), mitarika sy miantso ny Malagasy hiray hina hanafaka an’i Madagasikara ao anaty ity gejan’ny fanjanahantany ity hanangana firenena vaovao.
Rahampitso 6 febroary no manomboka ny fampiatoana ny raharaham-panjakana, ka “service minimum” no tokony ho ataon’ny mpiasam-panjakana. Mila mijoro ny sendikalista, ireo hery velona rehetra ary ny olompirenena ho tombontsoan’ny firenena. Fitakiana ao anaty fitoniana no atao. Fanatsaharana ny rà latsaka nanomboka ny taona 1947 no manomboka izao.
Manomboka eto Antananarivo ny hetsika rahampitso talata ary mitohy ny alarobia arahina hetsika fitakiana faobe. Nohamafisin’izy ireo fa tsy korontana no tadiavina fa fakana ny fahefana ho an’ny Malagasy. Tsy hisy ny fifandonana ary tsy fanonganam-panjakana no atao fa famerenena ny fahefana ho an’ny Malagasy tompontany.
Hoy ny raiamandreny Noël Rakotondrasoa, filohan’ny ARFM: “Tsy maintsy izay no lalana izorana satria raha tsy misy hetsika dia tsy afaka isika. Sahala amin’izany ny tamin’ny tolom-panafahana 1947, nisy ny famonoana olona, nisy ny fanatrehana ady mafana. Tsy maintsy miaraka miatrika ady isika fa tsy vitan’olombitsy io. Raha tsy maro no miray hina dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana io.
Izay no antony hoe handao avotana ny tanindrazantsika. Fa rehefa avotra ny tanindrazantsika dia ho alamintsika ilay izy, diovintsika ny firenena, manangana fanjakana vaovao isika ary isika no manao azy.
Miantso ny sendikalista, ny Malagasy mahatsapa fa tompon’i Madagasikara sy tia tanindrazana izy ireo hiaraka hanamafy ny tolona atao. Iray ihany ny tanjona, dia ny amaranana izao repoblika faha-efatra izao hatramin’ny 29 marsa.
Ny sendika sy ny vondrona sendikaly, ny fikambanana rehetra, na mpanao politika na tsotra, dia angatahana ho tonga eny. Ary indrindra indrindra ireo raiamandreny izay mbola manina ny maha-malagasy azy sy mahalala fa marina izao zavatra atao izao, dia ho tong amaro any Antaninarenina.
Esory ao an-tsaina ny fieritreretrana hoe hangataka halalana amin’ny “préfet de police” ny tompony. Tsy mangataka halalana amin’ny “prefer de police” ny tompon’ny tany. Ny raiamandreny no mandidy manapaka, ny raiamandreny no miteny amin’ny tany sy ny fanjakana. Dia asaina ny vahoaka rehetra eny manomboka rahampitso. Fa raha mbola Malagasy manana raiamandreny, ka mahalala fa masina ity tanindrazana ity, tsy hisy hanana eritreritra hisambotra anay izany. Satria iza no hisambotra raiamandreny. Ny fisamborana anay dia midika ho fisamborana an’i Madagasikara satria foko no itondranay azy ity. Ny tahotra dia tsy misy na kely aza.”
Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy ny fitetezana ireo foko sy faritra manerana ny Nosy ary nazahoan’ireto raiamandreny ireto tsodrano ho amin’ny fitarihana izao tolona izao.
MBS Youtube
www.youtube.com/live/f391NlT8yhk?t=370
MBS FB
www.facebook.com/share/v/WiHuE7EGc3Mpiiq6/?mibextid=WC7FNe
www.gvalosoa.net/2024/02/06/arfm-tolona-famerenena-ny-tany-ho-anny-malagasy-antaninarenina-hanomb...
... TohinyFintinina
4 CommentsComment on Facebook
Ady ho an'ny taranaka zao,mankasitraka anareo ray aman-dreny!
Mankasitraka anareo raiamandreny. Mitohy ny tolona.
Raikitra. Vonona aho
zay vao azoko mahatonga CHOLERA hankalazaina be
Radio MBS