Avelao mihitsy dia ho avy ny fifidianana hahafantarana ny marina hoy ireo mpomba an’i Dada, manoloana indrindra ny hoe haroso mialoha ny fifidianana izay ho Filohampirenena. Tsy misy matahotra eto satria tsapanay fa mbola ao ampon’ny vahoakan’ Alaotra ny Filoha Marc Ravalomanana hoy izy ireo noho ny zava-bitany izay tsy nisy nahavoasongona hatramin’izao. Tsy nisy nahafantatra Kubota taty Alaotra raha tsy izy no nampianatra izany, ka nahatonga azy io ho fitaovam-pamokarana mahomby nentina nanatsarana ny vokatra rehetra. Hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra any ambanivohitra dia samy miandry io fifidianana izay ho Filohampirenena io ho entina mamerina an’i Dada. Mihetsiketsika fatratra ihany koa ny T.I.M mitety sy manentana ny mponina mba hazoto handray anjara hifidy amin’izay fifidianana ho avy eo. Mazava ny resaka hatreto fa mbola sarotra ny handresena ny Filoha Marc Ravalomanana raha ny aty Alaotra no jerena. Hala-bato no nampihintsana ny kandidan’ny T.I.M tamin’ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna teo fa raha nandeha nazava dia fantatra fa izy ireo no nitàna ny ankamaroan’ny kaominina hoy ny mpanohana azy. Vonona tanteraka araka izany ireo mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana handrombaka ny laharana voalohany amin’izay fifidianana rehetra ho avy: na Solombavambahoaka io, na Ben’ny tanàna. Marihina fa avy amin’ny antoko T.I.M no mitantana ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao.
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Antananarivo
light rain
25
°
C
25
°
25
°
65 %
2.1kmh
75 %
Sun
25
°
Mon
20
°
Tue
21
°
Wed
20
°
Thu
23
°
This message is only visible to admins.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Error: This Page access token belongs to a Page that is not accessible.
Type: OAuthException
Type: OAuthException
Arahaba tratry ny taona 2025!
Ho taom-pandresen’ny fahamarinana anie!
Izahay eto amin’ny FB Ny Valosoa Vaovao dia miato amin’ny fizarana vaovao sy ny fanehon-kevitra samihafa.
Mitohy ary miova endrika ny tolona.
Mankasitraka ary mankatelina anareo marobe nanaraka anay nandritr’izay 6 taona izay.
MADAGASIKARA HO AN’NY MALAGASY!
... TohinyFintinina
View Comments
- Likes: 1
- Comments: 0
- Shares: 0
0 CommentsComment on Facebook

... TohinyFintinina
Ce contenu n’est pas disponible actuellement
Ce problème vient généralement du fait que le propriétaire ne l’a partagé qu’avec un petit groupe de personnes, a modifié qui pouvait le voir ou l’a supprimé.0 CommentsComment on Facebook