Dradradradrain’ ny MAPAR tarihin’i Andry Rajoelina, izay nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona nataon’ireo depiote 73 ho an’ny fanovàna, tao amin’ny kianjan’ny 13 Mey, izay namoizana ain’olona ny teny hoe tokony halefa ny fifidianana mialohan’ny fotoana . Izany ve no nifanarahana teo an-kianja ? angaha tsy fifidianana madio tsy ny HVM no mitantana azy ve no nifanarahana teny an-kianja e? sa efa mahazo antoka ianareo Mapar fa tsy hisy hosoka io fifidianana eritreretinareo karakaraina mialohan’ny fotoana io ? Ny nifanarahana dia fifidianana tsy hiteraka korontana eto amin’ny firenena no tokony hatao . Ka mialohan’izany dia mila miova ny CENI fiobe sy ireo rantsa-mangaikany any amin’ny faritra manerana ny Nosy . Ankoatra izay , mila jerena ireo fomba fangalaram-bato mialohan’ny fotoana , ao ireo biraom-pifidianana hosoka tsy misy mpifidy akory . Izany rehetra izany dia efa nodradradraina teo amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny tolona ho an’ny fanovàna , saingy modian’ny Mapar tsy fantatra izany ankehitriny rehefa nahazo seza volamena ao amin’ny governemantan’i Ntsay Christian . Tsy vahaolana ny fifidianana mialohan’ny fotoana raha tsy tanteraka ny fanadiovana faobe mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ; fa ankoatra izay efa halabato be vata no tiana hapetraka eto, izay tadiavin’ny HVM sy ny MAPAR ho ketrehina.
Helisoa