Mitohy hatrany ny tolona ataon’ny vahoaka miaraka amin’ireo depiote ho an’ny fanovàna, indrindra ny depiote voafidy tamin’ny alalan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), eo amin’ny kianjan’ny 13 mey na nivaly tamin’ny ampahany aza ny fitakiana tany amboalohany nahatonga ny hetsika . Izany dia noho ny resaka lalam-pifidianana natolotry ny governemanta natao amboletra nanilihana olona, ka nahatonga ny depiote 73 hitsipaka an’io, tonga hatrany amin’ny HCC ny fitoriana ka nahazoan’ireto farany fandresena goavana . Rehefa nitsangana ny governemantan’ny marimaritra iraisana araka ny didy navoakan’ny HCC dia nisintaka ny depiote Mapar . Maro no naneho ny heviny tamin’izany fa rehefa nahazo seza ny TGV/MAPAR dia lasa niridana tsy nanao fisaorana sy veloma ho an’ny mpitolona tao amin’ny 13 Mey akory, fa lasa niaraka amin’ny lehiben’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina manao propagandy mitety an’i Madagasikara . Ny antoko Tiako i Madagasikara izao no mbola miaraka amin’ny vahoaka mitolona ho an’ny fanovana tena izy . Maro no milaza fa efa tratra ny tanjona ho an’ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana : afaka milatsaka ho fidiana i Dada, misokatra ny MBS , afaka mihodina ny AAA , nefa dia mbola manohy ny tolona hatrany ny depiote TIAKO i MADAGASIKARA, satria mbola tsy tratra ny tanjona . Rehefa hanao fifidianana madio sy eken’ny rehetra eto Madagasikara dia mila miova hatrany amin’ny farany ambany ka hatrany ambony ny CENI hoy ny depiote Mamy Rabenirina voafidy tao Ambohidratrimo , misy ny olona marobe mbola tsy tafiditra ao anaty lisitra , eo ny olana eo amin’ny biraom-pifidianana sns… hoy izy , ny governemanta mbola misy HVM mbola hilàna fanamboarana . Noho izany rehetra izany , mitohy ny tolona , koa anio alakamisy dia hisy ny filaharambe manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ataon’ny vahoaka sy fikambanana maro samihafa , ireo antoko politika , sendika sns… hitondra sorabavety izay mampiavaka azy ny tsirairay amin’izany .
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Antananarivo
moderate rain
25
°
C
25
°
25
°
65 %
4.1kmh
40 %
Wed
25
°
Thu
21
°
Fri
25
°
Sat
26
°
Sun
26
°
This message is only visible to admins.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Error: This Page access token belongs to a Page that is not accessible.
Type: OAuthException
Type: OAuthException
Arahaba tratry ny taona 2025!
Ho taom-pandresen’ny fahamarinana anie!
Izahay eto amin’ny FB Ny Valosoa Vaovao dia miato amin’ny fizarana vaovao sy ny fanehon-kevitra samihafa.
Mitohy ary miova endrika ny tolona.
Mankasitraka ary mankatelina anareo marobe nanaraka anay nandritr’izay 6 taona izay.
MADAGASIKARA HO AN’NY MALAGASY!
... TohinyFintinina
View Comments
- Likes: 1
- Comments: 0
- Shares: 0
0 CommentsComment on Facebook
... TohinyFintinina
Ce contenu n’est pas disponible actuellement
Ce problème vient généralement du fait que le propriétaire ne l’a partagé qu’avec un petit groupe de personnes, a modifié qui pouvait le voir ou l’a supprimé.0 CommentsComment on Facebook