Aiza ianao no hahita vola homena iretsy mpanabe,
Satria nandrasana hivangongo ireo karazam-pitakiana?
Moa i Madagasikara no kasaina hamidy ve?
Sa mbola hisambo-bola indray f’izay no hampisy fitoniana?
Iretsy mpianatra, jereo, tsy vitsy no mirenireny,
Tsy marisika intsony f’efa maro no nijanona.
Tsy azony antenaina intsony ny filoham-pireneny,
Ny sekoly raha izao dia tsy hamokatra olom-banona.
Iretsy ray sy reny maro, lany vola tamin-janany,
Toa misento sesilany, very ny fanantenàny !
Tena maizina tanteraka ny hoavin’ny taranany,
Fa mpitondra tsy mahomby no mikiribiby hatrany.
… O ry hery vaovao o! nopotehinao tanteraka
Ny tontolom-panabeazana eto Madagasikara.
Iretsy mpanabe, jereo, fa efa maina sady reraka,
Koa mialà izao dia ‘zao f’izay no mety sy hahatsara .
DADAN`i ZINA (Jona 2018)