Helisoa
Efa ho tapitra tsy ho ela ity ny fotoam-piasan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa dia tsy misy mangirana hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Nilaza moa ity farany fa mbola miantraika tamin’ny fitondràna tarihiny hono ny tarazo napetraky ny fitondràna nifandimby teto nandritra ny 50 taona, ka vao manarina izany izy ankehitriny. Tena fialàna bala araka ny fitenin’ny tanora izany fa ny hita dia tsy mahavita azy, tonga tampoka teo amin’ny fitondràna i Hery Rajaonarimampianina dia tsy nanana vina entina hampandroso an’i Madagasikara , Tip top no betsaka sy ny blà blà. Minisitry ny vola tamin’ny fitondràn’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina, ary filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasam-panjakàna ny Air Mad no andraikitra notanan’i Hery Rajaonarimampianina farany talohan’ny naha filohampirenena azy. Andraikitra lehibe no notanan’ity farany tamin’ny fitondràna tetezamita io, tsy afabela mihintsy izy milaza amin’ny vahoaka fa hoe tsy nanapotika ny firenena. Tadidio fa ny fanonganam-panjakàna notarihin’i Rajoelina Andry sy ny forongony no tena nampidi-kizo ny firenena teto ary naha fadiranovana ny vahoaka Malagasy toy izao; Rajaonarimampianina ao anatin’izany. Zao lasa very fanahy mbola velona ny Malagasy, tsy hitany intsony izay atao. Ny olona nampitondra faisana ny firenena ho any andavaka indray no miseho azy fa hanavotra azy amin’ny lainga marivo tototra anambakàna ny vahoaka sahirana. Samy voasazin’ny firenena Afrikana avokoa na i Andry Rajoelina na i Hery Rajaonarimampianina, tompon’andraikitra amin’ny fampahantrana ny Malagasy daholo, ka tsy ho tratry ny indroa hahita ny maizina eto intsony ny vahoaka fa hahay hisafidy izay hitondra azy.