Sôh’son
Vao niverina tamin’ny fahaleovantenany ity firenena ity, dia nampitolefehana tamin’ny sangodim-panina politikam-panjanahana amin’ny endriny vaovao. Narovana fatratra sy nafenina tsy ho fantatry ny vahoaka Malagasy fa olona voavolavola tsara natao hiaro ny tombontsoa frantsay ihany no tsy maintsy apetraka eo amin’ny fitondrana sy hifehy ny vahoaka. Olona niainga avy ao anatin’ny vondron’olona noforonina hanohitra ny fikambanan’ireo tia tanindrazana vonona hiaro marina ny tombontsoan’ny sarambabem-bahoaka. Dia niaraha-nahalala ny tantara nisongadinan’ireo fikambanana roa ary ilay mpanohitra nanaiky natao fitaovana hanapotehana iry mifanohitra sy mifaninana aminy.
Tsy atao hahagaga raha ireto fitaovam-bazaha, voasasa ati-doha hiankohoka amin’ny Lafrantsa ary notohanany sy nanaovany tsindry mazava loatra, no nahazo laka sy nametraka ny olony teo amin’ny fitondrana. Aretina iray lehibe saro-tsitranina nikiky ny ain-dehiben’ny fampandrosoana ny firenena io, ary mbola mitohy mandraka androany. Ny zava-misy sy tsikaritry ny mpandinika mantsy dia tsy mitsahatra mihazona ny fahefana eto amin’ny firenena ireo vondron’olona ireo izay tany am-piandohan’ny namatorana an’i Madagasikara « mahaleotena » sy nodimbiasin’ireo taranany marobe ankehitriny. Ireto farany mpandimby ny anaran-dray sy mpanindrahindra ny anaran-d « reniny » dia toy ny “basin’angilisy”ihany, hoy ny fitenenana, “ka ny feon-dreniny ihany no feon-janany”. Izy ireo no mpanamboamboatra ny tantara marina tokony ho fanta-bahoaka hamily azy ho amin’ny tombontsoany sy ny Mpitondra frantsay. Io fanodinkodinana na fanafenana ny tantara io no anisan’ny fositra iray lehibe ihany koa mahatonga ity firenentsika ity ho amin’izao toerany izao.
Inona no vahaolana? Tsy misy afa-tsy ny fahasahiana manapaka ilay tadim-poitra nanomezana sakafo an-jaza izay efa vita fantin’izy mihevi-tena ho lehibe, satria heverina sy atao toy ny zaza mandrakariva ny Malagasy, 58 taona nahaleotena. Iza no mpitarika politika eto amin’ny firenena na mpitondra nahazo fahefana sahy hilaza toa ny filoha Roandey, Paul Kagamé, hoe “tsy mila mpitaiza zaza (baby sitter) izahay” mantsy ireo firenen-dehibe? Vahaolana ihany koa ny fanapahana ilay ”fantsona” lehibe nitrohana tsy an-drariny, tsy nisy tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy, ny harembe tsy hita pesimpesenina teto amin’ny firenena nandritry ny taona maro izay, ary mbola ezahina fikirina hatrany mba haharitra aman-taonany maro ho avy. Izay olona sahy hilaza sy hanatanteraka izany no hany afaka hanavotra ity firenena ity ao anatin’izao toerana misy azy izao. Izany olona izany mantsy tsy isalasalana fa tsy avy amin’ny taranak’ireo niray petsapetsa nanaiky namatotra an’i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1960.