Izahay mpampianatra mpanabe rehetra avy amin’ny Faritra 22 mbola manohy ny fitakiana dia manao izao fanambarana izao:
- Tsy nahafa-po anay, ary tsy nifanarahana ny vahaolana naroson’ny Fanjakana mikasika izay nataonay nandritry ny telo volana mahery;
- Hitanay fa tsy nifanaraka amin’ny fahalalàna sahaza hoenti-miatrika ny fanadinana ny fahalalàna azon’ireo ankizy amin’ny sekolim-panjakana noho ny fahatapahan’ny fianarana nandritry ny telo volana mahery;
- Hitanay fa atao amboletra ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana ary notsinontsinoavina ny fangatahan’ireo mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana maniry ny hanemorana ny datim-panadinana hisorohana ny elanelana eo amin’izy ireo sy ny mpianatry ny sekoly tsy miankina;
Noho izany:
- Mbola mitohy ny tolona;
- Tsy handray anjara amin’ireo fanadinam-panjakana atao amboletra izahay Mpanabe izay manao izao fanambarana izao;
- Tompon’andriakitra isika Ray aman-dRenin’ny Mpianatra amin’ny fandefasantsika ny zanatsika na hanao na tsy hanao ny fanadinam-panjakana;
Marihinay etoana fa tsy tompon’andraikitra amin’ny voka-panadinana sy izay mety hitranga mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana amboletra rehetra izahay.
Antananarivo, faha-3 Aogositra 2018
Ny Filoha Nasionaly mirahalahy (SEMPAMA sy SYFEMA) sy ny solontenan’ny Faritra 22
(Loharano Coordo Sempama Nosy Analamanga)