Nangonin’Isambilo
Fanehoan-kevitr’i Raniry mpanoratra sy mpanakanto any Mahajanga
Samia isika mianakavy mifantoka tanteraka amin’ny fampandaniana an’i Dada amin’izay manomboka izao mba ho fanavotam-pirenena. Tena mampahonena tokoa ny mahazo ny firenentsika ankehitriny ka mila olona manam-piniavana sy manam-pitiavana marina tokoa hitarika antsika rehetra hifanome tanana. Mila olona toa an’i Dada ny firenena ankehitriny. Sahy mandray andraikitra, hentitra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, matotra amin’ny fitarihana na ny “leaderships” ny filoha Marc Ravalomanana. Samia isika manentana an’ireo mpiray vodirindrina amintsika, manazava ny marina. Aoka ho samy mailo tanteraka fa ny marina mitavozavoza, hono, tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. Ambarao ny vahoaka ny marina mba hampisy fanantenana amin’izao fiainana efa tena latsaka an-katerena tanteraka izao. Ny tsy fandriampahalemana no tsy maintsy hofongorina voalohany fa mandry tsy lavo loha loatra ny valala tsy mandady harona sy ireo mpitrongy vao homana. Isan’ny nampiavaka an’i Dada io fahaizana nitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana io. Tsaroantsika tsara ny namongorany ny “fôrôsy” tao Antsiranana, tamin’ny andron’i Dada tsy nanjakazaka tahaka izao ny dahalo sy ny tontakely ary ireo mpanao hala-botry sy mpangoron-karena. Fantatsika tsara fa tsy mba nijery tavan’olona mihitsy i Dada tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra fa na dia be galona sy be diplaoma aza dia nofaiziny avokoa rehefa nanao ny tsy mety. Ankoatr’izay dia isan’ny tena nampisongadina an’i Dada ihany koa ny teo amin’ny lafiny fampianarana. Tsy mbola maty vonoina hatramin’izao ny fanampiany mivantana ireo Ray aman-dReny sy ny kilonga madinika tamin’ny alalan’ireo “kits scolaires”. Mbola maro aza ny ankizy misalotra ny aron’akanjo tamin’ny andron’i Dada mandraka ankehitriny. Tsy adinoina ihany koa ny fijereny manokana ireo mpampianatra sy mpanabe. Tsy mba niafiafy tamin’ny fanomezana fitaovana sy fiofanana ny filoha Marc Ravalomanana mba hanatsaràna ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Ny fotodrafitrasan’ny tontolon’ny fanabeazana tsy lazaina intsony fa tena nahavita i Dada e! Isan’ny nampiavaka an’i Dada ihany koa ny teo amin’ny lafin’ny fahasalamana. Tsaroako tsara raha niteraka ny zanako faharoa ny vadiko tamin’ny taona 2008 tao amin’ny hôpitalin’ny Reny sy ny zaza na “CME” teto Mahajanga, izay namboarin’i Dada. Ny kalitaon’ny fitsaboana tena azoko lazaina fa tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany mihitsy fa tena tsara karakara ny vady aman-janako, ny fitaovana raitra sy madio ary harifomba kanefa tsy niala vola izahay fa niantohana maimaimpoana avokoa ny fitsaboana rehetra. Tena hafa ihany i Dada e! Indrisy anefa ankehitriny fa raha sendra mba nitondra marary tao amin’io toby fitsaboana ny Reny sy ny zaza io izahay dia toa nofy sisa ny taloha. Raha vao lasa i Dada dia lasa nanaraka azy avokoa ny soa notovozin’ny vahoaka Malagasy tamin’ny androny. Ny tena tsy azo hanadinoana an’i Dada dia ny fanamboaran-dalana. Betsaka ny nanenjika azy tamin’izany fa “lalana ve azo hohanina?”. Ankehitriny vao samy mahatsiaro azy ny rehetra fa hay tena kitro ifaharan’ny fampandrosoana tokoa ny fanamboaran-dalana. Raha mbola teo i Dada, efa taiza ny toerana nisy an’i Madagasikara? Ireo asa vaventy maro isan-karazany tsy lazaina intsony, manginy fotsiny ny fanatsaràna ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mbola mitsetsetra ihany ny tena mandalo manoloana ny Banky Foiben’iMadagasikara eny amin’ny “Bord de la Mer Mahajanga” ankehitriny. Taratry ny fahamatoran’i Dada rehefa manao zavatra io fa zovy no tsy miaiky sy manaiky ny hakantony sy ny kalitaon’ny nanamboarana azy? Jereo anie ny hôpitaly manara-penitra izay namboarin’ny sasany e! Zandrin’ny “Banque central” lavitra kanefa efa potika sy rotika sahady ankehitriny. Toraka izany koa ny lalana rehetra izay namboarin’i Dada teto Mahajanga, fa tena mbola mijoro sy mirijarija tsara avokoa ankehitriny. Ny an’ny hafa tsy ampy herin-taona akory dia potika. Jereo ny vola e! Ampy itsaràna an’i Dada ny kalitaon’ny nanamboarany ny azy raha ampitahaina amin’ilay nivoaka farany io.
Fehiny, ndeha hifanome tanana isika rehetra hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hamerina an’i Dada hanavotra an’ity firenena malalantsika rehetra ity. Maro ny hazo fa ny fary no mamy, be ny vorona fa ny railovy no manga feo. Betsaka ny mahay miteny sy mikabary fa ny asa vita ihany no ifampitsaràna. Alao hery àry ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana fa ny tonga miaraka no fanombohana, ny miasa miaraka no fahombiazana.