Helisoa
Vonona tanteraka ny vahoakan’ny distrika 5 any amin’ny faritra Melaky: Antsalova, Morafenobe, Ambatomainty, Besalampy ary Maintirano amin’ny fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana hanavotra ny firenena indray amin’ny fifidianana hatao ny 7 novambra ho avy izao.
Efa mizotra ny fananganana ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny fokontany sy ny kaominina, any amin’ny distrika ankehitriny hoy ny dokotera Eric Andriamanantena filohan’ny antoko TIM any amin’ny faritra Melaky ary efa maty paika ny tetik’ady ataonay amin’izany hoy izy. Tsy ny ao amin’ny antoko ihany fa misy koa ny fanentanana ireo tsy ao anatin’ny antoko ho amin’ny fiatrehana io fifidianana filohampirenena ho avy io.
Ny filoha Marc Ravalomanana no nanokatra ny lalana taty aminay izay nampilamina ny fandriampahalemana, ka rariny raha miandrandra azy ny mponina amin’izany. Mbola tsy adinonay hoy izy ny nanamboaran’iDada ny tohadrano, ny fanampiana ireo tantsaha tamin’ny resaka voly vary: fanomezana zezika sy masomboly sy ny fanaovana fifaninanana mamboly vary sns…
Ankehitriny, marobe ireo vahoaka no vonona hanohana ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ny faritra Melaky satria ny bainga efa nivadika no hitanay nandritra ny fitondràny, izy irery ihany no hahavaha ny olana any aminay araka izany hoy ny dokotera Eric Andriamanantena Anders.