Helisoa
Lasa anaovan’ny ekipan’ny TGV/MPAR tarihin’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina propagandy mialohan’ny fotoana ilay hira ‘Dia ilay fitia’.
Maro ireo mpino katolika no maneho ny hatezerana vokatr’izany, hiram-pivavahana tsy tokony atao fitaovana politika satria tsy voatery ho mpomba ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina avokoa ny mpino ao amin’ny EKAR.
Rehefa mandeha any ampiangonana mantsy io hira io dia ohatra ny fampielezan-kevitra ho an-dRajoelina ny ao antsain’ny mpino, ka amin’izay fotoana izay dia lazaina fa mpomba ny mpanongam-panjakàna ny mpanao ny litorjia.
Tamin’ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 dia nisy ny hira noventesina “iny lalana iny” tamin’izany. Noho ny fahatezeran’ny olona dia tsy heno tamin’ny onjampeo intsony iny hira iny, na dia maro mpankafy aza io hira io.
Nampalahelo fa lasa ilay hira indray no analana ny hatezerana. Maninona moa i Andry Rajoelina hoy ireo mpino katolika tafaresaka tamin’ny gazety no tsy mamorona hira ho azy manokana e?
Ny antoko politika matanjaka toy ny Tiako i Madagasikara (TIM) dia manana ny hira ahafantaran’ny maro azy, dia mba manaova koa toy izany fa tsy ny hiram-pivavahana no simbaina.