Andry Tsiavalona
Misafotofoto ny toe-daharaha momba ny fifidianana amin’izao fotoana izao satria misyny manakiana fa tsy mbola lavorary ny fanomanana. Etsy an-kilany koa dia eo ireo manao hetsika fa tsy maintsy hatao aloha ny fanarenana ifotony (refondation) hanafoanana ny fahalovana isan’ambaratongam-pitantanana. Tsy mahasakana ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana kosa anefa izany ho an’ireo kandidà efa vonona hiatrika fitsaram-bahoaka. Samy manana ny sehatra manavanana azy avy ireto kandidà ireto ka ao ny mpahay fiaraha-monina, ny mpitsabo, mpanakanto mirona amin’ny politika (artiste engagé), ny demokraty liberaly, ny mpanongam-panjakana niova ho tia ny rahalahiny tahaka ny tenany,ny mpitondra fivavahana « apokaliptika », efa nahatratra 10 ny isan’ny nandrotsaka ny dosie omaly satria niampy ny kandidà Sarah Rabearisoa, ny kandidà Solo Norbert Andriamorasata ary Jean Jacques Ratsietiso…
Toa mitovy anefa ny tanjona dia ny hanavotra ity Firenena ity ary hampivoatra ny faripiainanan’ny Malagasy mba tsy hianjadian’ny fahantrana, tsy hanaiky ny fanjakazakan’ny vahiny amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena, ny famongorana hatramin’ny fotony ny kolikoly ary ny famerenana ny fahalemana eo anivon’ny fiarahamonina. Toy ny mahazatra ny gasy anefa dia azo lazaina fa tsy ho vitsy ireo miandry ny fotoana farany vao hanatitra ny azy sady mbola misy andro vitsivitsy vao ho tapitra ny fepotoana.
Na dia toa efa mizotra sady tsy hay tohaina ho any amin’ny fifidianana aza ny sehatra sy rafitra misahana izany dia mbola mitoetra sy mahazo vahana ny ahiahy, ny tsy fitoviam-pijery sy ny tsy fifampitokisana ary ny fifanenjehana. Hatramin’izao dia mihevitra ny politisiana fa tsy voarafitra araka ny tokony ho izy ny lisitry ny mpifidy navoakan’ny Voamieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI).
Ankoatr’izany dia nitombo izay tsy izy ny birao fandatsaham-bato izay tsy fantatra mazava ny mason-tsivana namoronana azy ireo. Tsy mamparisika ny olompirenena manana zo hifidy loatra ihany koa ny fanamarinana na ao anaty lisitra izy na tsia satria maro no mihevitra fa na iza na iza lany eo dia tsy azony antoka fa hampivoatra ny fari-piainany izany. Tsy mahatoky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eo amin’ny famoahana ny voka-pifidianana satria ny didy rehetra navoakany momba ny fandikan-dalàna nataon’ny mpitondra dia tsy misy mitaratra ny fahamarinana fa niandany hatrany. Namoaka didy ihany koa ity rafitra ity fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta kanefa toa tsy nisy fepetra noraisiny ho an’ireo tsy nampihàtra ny lalàna maan-kery aloha hatramin’izao. Ny governemanta najoro hanatanteraka sy hahatomombana ny fifidianana dia tsy hita taratra loatra ny fandraisana andraikitra mifanandrify amin’izany ankoatry ny fanovana ny takelaky ny fiaram-panjakana ho mena. Mety ho marina fa tsy misy lalàna mandrara ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana fa ny fanentanana hoe : « fidio Ra… » no tsy azo atao kanefa kosa ny hetsika ataon’ny kandidà efa nandrotsaka ny antontan-taratasiny na izay azo antoka fa hanao izany dia manambara (implicitement) io fehezan-teny io na tsy voatonona aza izany.
Ny fanombohana ny fanamboaran-dàlana ka nampideran-dRajoelina Andry ny fahaizany mitondra fitaovana vaventy natokana ho amin’izany tany Antsirabe dia efa miantso ny mponina ho amin’izany. Torak’izany koa Rajaonarimampianina Hery tao Mahitsy.
Miteraka ahiahy ihany koa ny tsy fitoniana ara-politika eto satria ny tokony hataon’ny kandidà dia ny mandresy lahatra ny mpifidy hanaraka ny programam-pampandrosoana arosony ka hifidy azy fa tsy hanenjika na hanaratsy na hanambany na hamingavinga ny mpifaninana aminy. Misy amin’ireo kandidà aza sahy milaza fa izay mpitondra teo aloha nahatonga korontana teto amin’ny Firenena dia tokony hamoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana didy fanafoanana ny firotsahany. Tokony hanana ilay toe-tsaina manavaka tsara (esprit de discernement) satria misy korontana novolena noho ny fankahalana tsotra izao. Nisy koa ny korontana ho fanoherana ny rafitra sy fomba fitondrana ny firenena. Teo koa ny hetsika tsotra noho ny fiarovana ny safidy izay vohitsakitsaka ary efa nisy koa ny fanakorontanana nateraky ny famoretana ny mpitaky ny zony ara-drariny sy hitsiny.
Araka izany dia tsy azo ampitoviana sy ampifandraisina ny « korontana » rehetra nitranga teto Madagasikara tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 sy 2009. Sasanangy samy hafa ireo ary antony hafa indray koa raha sanatria ka hisy indray ny korontana hateraky ny fifidianana kasaina hatao amin’ity taona 2018 ity.