Tamin’ny alatsinainy 20 aogositra teo ny ministeran’ny indostria sy ny sampana tsy miankina no namoaka ny andiany voalohany amin’ny inspekteran’ny indostria.
Sivy mianadahy izy ireo no nanao fianianana tetsy amin’ny Fitsarana Faratampony tetsy Anosy, ho mpanao fitsidihana ny indostria hikaroka ny fandikan-dalàna sy hamarotra ireo mpandika lalàna. Hisy ny andiany manaraka ka fifaninanana avy eny amin’ny ENAM no hivoahan’izy ireo.