25 aogositra- Nangorovitsika i Mahamasina

Fifidianana filohan'ny repoblika malagasy - 7 novambra 2018 - Marc Ravalomanana, kandidà laharana 25

Ren-tany sy ren-danitra ny filatsahan-ko fidian’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika nandritra izao lanona nafotaka ankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM sy ny fihaonana voalohan’ny kandidà Marc Ravalomanana eto Antananarivo.

Ny laharana faha-25 no ho entiny amin’ny fifaninana.

Feno ny kianjaben’i Mahamasina ary ny mpanaraka amin’ny karazana serasera koa dia nahasarika olona aman’alina.