Helisoa
Lasa adala mihitsy ireo tariky ny mpanongam-panjakàna ankehitriny mahita ny fihetsiky ny filoha Marc Ravalomanana amin’izao ankatoky ny fifidianana filohampirenena eto Madagasikara izao.
Tao anatin’ny 9 taona izao dia ambetin–dresaky ny gazety sy radio ary ny fahitalavitra efa ho isan’andro ny fanaratsiana ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo manodidina azy. Ankehitriny, lany lainga izy ireo dia ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana indray no velesina kanota atao lohateny lehibe amin’ny gazetin’ny mpomba an–dRajoelina.
Raha i Lalatiana Rakotondrazafy be vava io no lany ben’ny tanàna teo dia efa tsy hay intsony izay nanjo an’ity Antananarivo Renivohitra ity manoloana ny antsojay nataon’ny fitondràna HVM toy ny atao amin’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny. Tsy nisy ny fanampiana (subvention) nomen’ny fanjakàna, nefa afaka nampandeha ny asa toy ny fanefàna ny karaman’ny mpiasa, ny prime ary ny fanaovana asa fanadiovana sy fanamboarana fotodrafitr’asa ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.
Tsy hita intsony izay anaratsiana ny filoha Marc Ravalomanana, tsy nandaitra ny filazàna fa mpamono olona i Dada dia tsy afaka hirotsaka ho fidiana filohampirenena, izay ilay hoe lany lainga e! Dia inona indray ny fafy lainga manaraka? efa fantatry ny rehetra ny laingan’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony.