13:30 > CUA & OIF – Fiaraha-miasa kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Frankôfônia

CUA sy ny OIF
Hitohy ary hiha-matotra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Frankôfônia. Nisongadina izany androany maraina teo, nandritra ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro, solontenam-paritry ny Frankôfônia aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, Malik Sarr, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nambaran’ity ambasadaoron’ny Frankôfônia ity fa nivoitra nandritra ny fihaonana, ny fankasitrahan’izy ireo ny ben’ny tanàna noho ny fandraisana mendrika ireo ben’ny tanàna avy amin’izao tontolo izao miisa 160 farany teo, izany dia amin’ny maha-filohan’ny AVCOI na ny fikambanan’ireo tanàn-dehibe sy ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny fiaraha-miasa ho tanterahana fohy ezaka araka ny nambaran’ny ambasadaoro Malik Sarr dia eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tanàna, ny fanodinana fako, ny angôvo, ny resaka jiro, ny momba ny fandraharahana, eo koa ny fanofanana ireo vehivavy sy tanora ho amin’ny fampandrosoana

Ny masoivohon'ny Frankofonia aty amin'ny faritry ny ranomasina Indiana MALIK SARR nihaona tamin'ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana ny maraina teo tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely

Publiée par Arp Helisoa sur Lundi 27 août 2018