Rehefa mandresy i Dada dia mandresy ny vahoaka Malagasy

Kandidà Ravalomanana N°25, Imerintsiatosika – Manana ny hoenti-manana ary efa vonona hatramin’ny ela amin’ny fifidianana

Andry Tsiavalona

Nihaona tamin’ny vahoakan’Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo indray omaly ny kandidà Ravalomanana Marc N° 25, tao aorian’ny tany Ambohimalaza Avaradrano afak’omaly. Tamin’izany no nanambaran’i Dada fa manana ny hoenti-manana amin’izany fifidianana filohampirenena ho avy izany izy sy ny mpanohana azy manerana ny Nosy sy ny avy any ivelany ihany koa, efa hatramin’ny ela ihany koa izy no vonona hiatrika izany fifidianana izany araka ny nambarany hatrany. Naneho ny alahelony izy tamin’ny habibiana nitranga tao Imerintsiatosika izay namonoana olona telo mianaka. Ny anton’ireny tranga ireny dia fialonana, ny fandraisana zava-mahadomelina, ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny.

Kandidàn’ny vahoaka malagasy aho, hoy izy, ka hampiasa ny fahaizako sy ny herin-tsaiko : hahatonga ny olona rehetra hisakafo, ho salama ka ho afaka hiasa sy hamokatra ary hanana asa. Tsy maintsy homena hasina ny maha-olona na inona na inona toerana misy azy eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy maintsy haverina ny fitsinjaram-pahefana ka ho olona mamim-bahoaka no ho lany manomboka hatrany amin’ny fokontany. Araka izany dia hampiana ny olomboafidy ka homena fahefana sy fitaovana : mandrafitra tetikasa, manatanteraka ny asa mifanandrify amin’izany.

Namafisin’ny ben’ny tanàna, Rabevolombava, fa mijaly ny kaominina eo amin’ny resaka : subvention”, nizarana « moto » ny ben’ny tanàna tamin’ny andron’i Dada kanefa amin’izao fotoana izao dia izay mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany no mahazo. Mijaly koa ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana; ny fibodoana ny taniny ataon’ny vahiny toy ny any Soamahamanina; ny haratsian’ny làlana, ny firaisana trano amin’ny biby fiompy satria raha vao havela any ivelany dia lasan’ny jiolahy. Notsindrian’ny kandidà Ravalomanana Marc fa : tsy maintsy hovaina ny toetsaina;tsy maintsy mandroso sy miara-miasa; tsy maintsy mifampita vaovao momba ny olana rehetra ka anjaran’i Dada no mitady ny vahaolana; tsy maintsy vahana ny olan’ny mpampianatra ka homena ny fitaovana ilainy izy ireo hahafahany manabe ny ankizy malagasy izay beazina ho taranaka vanona; tsy maintsy hampiakarina ny sandam-bola malagasy satria tsapa fa sahirana ny vahoaka amin’ny fampiasana ny vola roa alina (20 000Ar). Nanafoana ny trosan’i Madagasikara i Dada tamin’ny taona 2005 kanefa amin’izao fotoana izao dia ny trosa no betsaka noho ny eo an-tànana.

Ny tanjona dia ny fampandresena an’i Dada ka rehefa mandresy i Dada dia mandresy ny vahoaka malagasy. Arak’izany hoy izy, manàna fahasahiana, manàna finoana ary mila mihetsika isika ka hamarino ny lisi-pifidianana.