Helisoa
Mbola mieritreritra ihany angamba ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa mbola mitantana ny firenena izy, nefa efa namindra ny fahefàny tamin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao.
Ny fantatra aloha dia mbola mipetraka ao amin’ny lapam-panjakàna eny Mavoloha izy sy ny vady amanjanany, ary mbola mampiasa ny famantarana ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara ihany, izay hita tamin’ny gazety an-tsoratra mpiseho isan’andro nivoaka ny andron’ny omaly nanaovany dokam-barotra.
Manoloana izany, manontany tena ny olompirenena hoe, angaha mbola filoha amperin’asa ihany i Hery Rajaonarimampianina? sa ny filoha mpisolo toerana azy mpiara-misaosy sy mpiara-misaika hatramin’izay dia tsy olana na mbola mampiasa ny fahefam-pajakàna aza ny filoha efa nametram-pialàna?
Manoloana izany indrindra, andeha araka ny tokony ho izy tokoa ve io fifidianana filohampirenena ho avy io satria ety am-piandohana dia efa miseho lany ny tsy fanarahan-dalàna samihafa ataon’ny tompon’andraiki-panjakàna?
Aleo ny ho avy no hitazanana azy, satria ny fitondràna dia milaza ombieny ombieny fa atao amin’ny ara-dalàna ny fikarakaràna io fifidianana ho avy io. Ho tompon’andraikitra syho tsarain’ny tantara eo ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao , ny CENI, raha ny mifanohitra amin’izany no hiseho eto Madagasikara .