Isambilo
Tsy nahazoana alalana ireo takelaby fanaovanadokam-barotra na panneau publicitaire tsymanana endrika dokambarotra, non commercial, ataon’ireo kandidà sasany etoAntananarivo Renivohitra amin’izao fotoana.
Manoloana ny fametrahan’ireo mpanohanakandida sarin’ny olona tohanany eny amin’ireo toerana manokana fametrahanadokambarotra amoron–dalana ireny arak’izany dia manome efatra ambiroampolo ora: 24h, ny tompon’ireny sary tsy manana endrika dokambarotra, non commercial ireny, ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo mba hanalana izany. Ny dokambarotra izay ara–dalàna kosa dia mijanona amin’ny toerany ihany.
Aorian’ny fe–potoana nomeny 24 ora dia hanala izany ny kaominina, izany hoe afaka 1 andro. Ary efa manatanteraka izany fanalana izany ny CUA amin’izao fotoana hoy ny lefitry ny tale misahana ny tanàn-dehibe sy ny fampandrosoana na DUD ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Hortensia Rasoamanambola.