Nangonin’Isambilo
Noho ny fankalazana ny andro eran-tany ho amin’ny demokrasia dia nikarakara fifaninanana lahatsoratra ny fikambanana Liberty 32 ny lahatsoratra nosoratin’i Bemananjary Flavio avy any Antsiranana no nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana lahatsoratra tamin’izany izay nampitondraina ny loha-hevitra hoe: “Soraty ny demokrasia 2018”.
Miisa 206 izao ny firenena manerantany. Ny ankamaroan’ireo firenena ireo dia manaraka ny lalàna demokrasia avokoa. Betsaka ny efa nivoatra, nefa mbola betsaka ihany koa ny mbola tsy mahatazana izany fandrosoana izany, noho ny tsy fanajana ny fifidianana. Ka mombamomba izany indrindra no ndeha horesahina etsy ambany:
Voalohany indrindra, ny fifidianana dia zo sy adidy napetraka ho an’ny olona feno 18 taona no miakatra, tsy anavahana na lehilahy na vehivavy, fa afaka mifidy avokoa ny rehetra. Noho izy adidy izany no antony tsy maintsy anantanterahana azy. Safidy ihany koa ny fifidianana fa tsy ifanerena, izany hoe tsy misy olona terena hifidy ny tsy tian’ny tena, fa izay tiana sy ankatoavin’ny tena ihany no hofidiana. Izany dia midika fa tokony ho manan-tsafidy daholo ny olona rehetra miaina ao anatin’ny firenena iray. Ary izany indrindra no takian’ny firenena amin’ny mponina ao aminy. Fa raha tsy manatanteraka io zavatra io ny vahoaka, dia mety ho tezitra izy, ary izany no mahatonga ny firenena hisedra ny fahantrana. Betsaka ny firenena mbola azo lazaina fa mikororoso fahana amin’izao fotoana iainantsika izao, fa indrindra ny firenena afrikanina, ary anisan’izany i Madagasikara. Mangetaheta fivoarana ny nosintsika. Mba te ho tahaka an’ireo firenena mandroso ireo izy. Betsaka ny raharaha mihodina eto Madagasikara nefa mbola tsy ahitana làlana hampandroso avokoa. Miha-mahantra dia mahantra ity nosintsika izay noheverina ho fitaratry ny ranomasimbe indianina sy Afrika m ity. Mbola eo amin’ny laharana faha enina amby sivifolo amby zato izao no misy antsika ao amin’ny firenena enina amby roan-jato manerantany; nefa efa talohan’io laharana io no nisy antsika teo aloha. Izany dia maneho fa miha–mihemotra isika eo amin’ny lafiny rehetra. Ny fiainana, ny vola dia mihen-danja avokoa. Mifanohitra amin’ny firenena sasany mihintsy isika, izay miha–mivoatra. Manoloana ireo olana sedrain’ny firenentsika ireo, ny mety ho vahaolana voalohany indrindra dia ny hisian’ny mpitarika tena mahay mitantana ity firenena ity ka hampivelatra azy amin’ny lafin’ny rehetra. Satria raha tsy misy mpitarika na koa hoe filoha isika dia mety ho miha–mahantra noho izao indray i Madagasikara. Ary koa, raha tsy misy mpitondra isika dia mety ho very tanteraka ny lanjan’ny fifanajana eo amin’ny Malagasy satria tsy misy lehibe mananatra sy manoro làla-mahitsy. Nefa, isika vahoaka manko no tompon’ny fahefana.
Ny fomba fijery sy ny hevitra ao anatin’ity Lahatsoratra ity, dia tsy voatery mitovy amin’ny fomba fijery sy hevitry ny Liberty 32 fa hevitry ny mpanoratra irery ihany. Mifidy ny olona hatao ho filoha izay heverina fa hahomby amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato. Noho izany, raha te hiaina ao anatin’ny fiainana tsara sy firenena sambatra isika, dia tsy maintsy mifidy araka ny safidin’ny tsirairay. Ary izay tapaky ny be sy ny maro no ho filohan’ny firenentsika. Io fifidianana io koa dia azo sokajiana hofitaovam-piadiana amin’ireo karazan’olana teo ireo, nefa ilay fitaovam-piadiana tsotra, tsy andoavam-bola ary tsy mandatsa-drà. Miisa 27 tapitrisa eo izao ny mponina miaina ao anatin’i Madagasikara, ary tokony ho eo amin’ny 18 tapitrisa eo ho eo ny isan’olona 18 taona no miakatra, nefa zara raha ampy antsasaka io isa io ny mpandray anjara amin’ny fifidianana. Noho izany, dia tokony ho entanina koa ireo tsy ao anatiny mba handray anjara, mba hisian’ny vokatra tsara sy mahafinaritra. Raha tanteraka izany dia mety hiaina ao anaty hasambarana ity nosy malalantsika ity. Raha atao ho bango tokana izay rehetra voalaza teo, dia hita tsara fa misedra olana lehibe ity nosintsika ity amin’izao fotoana izao, nefa isika ihany no afaka mamaha izany olana izany amin’ny alalan’ilay fitaovam-piadiana tsy mandatsa-drà izay antsoina hoe fifidianana. Ka noho izany dia tsy maintsy mifidy daholo ny olona rehetra 18 taona no miakatra mba hampahasalàma ity tany ity satria « marary i Madagasikara ka mila fifidianana ho fanafody ».