Helisoa
Vory lanona tao Ambatomaro ny sabotsy teo ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara(TIM), ao amin’ny fokontany Ambatomaro boriborintany faha– 5, notarihan’ny biraon’ny FOKOTIM ao an–toerana, sy ny filoha lefitry ny DISTIM Nina Rabetsialisaona, mpikatroka avy ao amin’ity fokontany ityhatramin’izay. Tonga nanotrona ny fotoana tamin’izany ny filohan’ny DISTIM boriborintany faha– 5 mpisolo toerana, Zouf Jacques . Nitondra ny hafatra sy ny toromarika ho an’ireo mpikambana Tiako iMadagasikara ity farany amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Nandritra ny fivoriana no nanamafisan’ny mpikambana rehetra fa tsy miova ny birao hitantana ny FOKTIM ao Ambatomaro fa avy hatrany dia miasa hampandresy ny kandida, filoha Marc Ravalomanana N°25 . Nanome toky ny filoha Lefitry ny DISTIM, Nina Rabetsialisaona fa Ambatomaro efa vonona hatry ny ela hampandresy an’i Dada. Efa niharitra ny mafy loatra izahay hoy izy nandritra ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara ny taona 2009, ka tonga izao ny fotoana hametrahana ny filoha Marc Ravalomananahitantana ny firenena indray. Dada ihany no vahaolana hanarina ity firenena ity hoy ramatoa Justine: tamin’ny fitondràny izahay hoy izy niaina am–pilaminana, afaka nianatra ny zanakay , afaka nisakafo na vola kely aza no teo am–pelatanana , mila miverina hitondra ny firenena ny filoha MarcRavalomanana hoy izy . Nofaranana tamin’ny fiaraha-nisakafo ny fotoana mba ho mariky ny nofon-kena mitam-pihavanana hoy Nina Rabetsialisaona, tompomarika tamin’izao fihaonan’ny TIM tao Ambatomaro izao.