Manomboka amin’ny Alahady 14 Oktobra amin’ny 5 ora hariva ho avy izao no hanomboka ny don-dresaka voalohany hihaonan’ny mpifaninana amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika 2018. Enina mianadahy izy ireo no hikatroka mandritra ny hadiny roa, ary isan’izy ireo ny filoham-pirenena nametra-pialàna tamin’ny volana lasa teo. Hivoaka mivantana amin’ny haino aman-jerin’ny TVM sy ny RNM ny fandaharana.
Hitohy izany isaky ny Sabotsy sy ny Alahady manaraka, ka andiany mpifaninana enina manaraka araky ny ankitspaka natao tamin’ny 20 Septambra indray no miakatra sehatra.
Mamarana izany ny Sabotsy 3 Novambra dia ny andiany faha-enina farany izay misy ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Tafiditry ny ankitsapaka ao amin’io andiany farany io ilay mpanongam-panjakana.
Dia tsy midera vady mahay mandihy izany fa aleo ny sandry no hilaza azy!
Alahady 14 Oktobra 2018
Randriamorasata Solo Norbert Narison Stephan Rajaonarimampianina Hery Ernaivo Fanirisoa Ratsiraka Roland Rasolovoahangy Roseline
|
Sabotsy 20 Oktobra 2018
Imbeh Serge Bezaza Marie Eliana Beriziky Jean Omer Rasolofonjoa Haingo Zafivao Jean Louis Ratsietison Jean Jacques
|
Alahady 21 oktobra 2018
Randriamampionona Joseph Rabary Paul Rabarihoela Bruno Ramaroson Arlettte Rakotomamonjy Jean Max Rakotofiringa Richard
|
Sabotsy 27 oktobra 2018
Mailhol André Rasolonjatovo Falimampionona Rasolofondraosolo Zafimahaleo Ravelonarivo Jean Mahafaly Solonandrasana Randriamanantsoa Tabera
|
Alahady 28 Oktobra 2018
Robimanana Orlando Radilofe Mamy Richard Ratsiraka Didier Jules Etienne Radavidson Andriamparany Rabeharisoa Saraha
|
Sabotsy 3 Novambra 2018
Rajoelina Andry Rajoanary Erick Andriantseheno Marcellin Rafalimanana Ny Rado Andrianoelison José Ravalomanana Marc
|
(CENI)