Avy nikabary ny kandidà Marc Ravalomanana laharana-25 naneho ny heriny teny Ambohijatovo. Nampiseho ho fantatr’izao tontolo izao fa i Dada ihany no afaka hanavotra ny firenena latsaka an-katerena nandritra ny 9 taona. Vahoaka izao tonga teny an-toerana ary nisy ny tso-drano avy an-danitra fa latsaka ny orana.
Rehefa niainga avy amin’ny toerana maro samihafa ny Karnavalomanana dia nifamotoana eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo daholo ny mpomba ny kandida N°25 .