Isambilo
Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany, teny Faravohitra omaly maraina ny kandidà N°25 Marc Ravalomanana, mialohan’ny fampielezan-kevitra nataony tany Manjakandriana, Anosibe An’Ala, Marolambo, Vatomandry, Mahanoro,sns… amin’ny faritra Atsinanana iny.
Tamin’ny fotoana omaly io no nanambaran’i Dada fa vita teo ny maha-filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny fiangonana FJKM azy sy ny faha-200 taona nidiran’ny LMS teto Madagasikara, ifantoka tanteraka amin’ny politika sy ny fifidianana amin’izay aho hoy Dada ary tamin’izany no nanolorany tamin’ny mpanao gazety ireo mpiara-miasa aminy akaiky amin’izay resaka fifidianana izay.
Ny talen’ny fampielezan-kevitra dia Charles Ranavela sy Rabenja Tsehenoarisoa ; ny mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-kevitra dia Serge Zafimahova ; ny filohan’ny KMMR : Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana dia Constant Raveloson ; ireo ao amin’ny komity mpandrindra dia : Donnat Andriamahefamparany, Jaona Ravaloson, Jimmy Ramiandrisoa, Kolonely Mamihanitra Andriamanana, Aurélien Mamporey, Patrick Ramiaramanana. Ny filohan’ny komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana (CSDE) : kolonely Eugène Claude Josoa.
Arak’izany dia miara-dia amin’i Dada N°25 i Serge Zafimahova, olona anisan’ny manana ny maha-izy azy amin’izao fotoana, teknisiana, zanaky ny Repoblika voalohany ary tao amin’ny ankolafy Zafy Albert ihany koa. Tombony lehibe ho an’ny kandidà laharana faha-25 izao fiarahany amin’ny kandidà Marc Ravalomanana izao.
Fa mahakasika an’i Dada ihany, mizotra mankany amin’ny fandresena izy raha ny zava-nitranga teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy teo no jerena. Feno hipoka tanteraka ity kianja ity, tsy nahasakana ny olona tsy nihaona taminy ny orana nirotsaka. Fanamafisana ny safidy « 25 » sisa ny 7 novambra raha iny nitranga teny Ambohijatovo iny. Vonona hiaraka hanangana, hampandroso, hamerina ny hasin’ny firenena miaraka amin’ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana ny vahoaka eto Antananarivo. Noporofoin’izy ireo izany ny sabotsy lasa teo tetsy Ambohijatovo iny, nandritra ny fahatongavany maro nanotrona ny kandida faha- 25. Vahoaka resy lahatra amin’ny programan’asa MAP 2 no nameno ny kianjan’ny demokrasia izay feno hipoka.
Novelabelarin’ny kandida Marc Ravalomanana nandritra ny fotoana nitenenany io Madagasikara am-perin’asa faharoa io, izay iompanan’ny fandaharan’asany mandritra ny fe-potoana iasany. « Laharam-pahamehana ho ahy ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, ny fampianarana ary indrindra indrindra ny fanomezana ny sakafo ho an’ny vahoaka malagasy. Mahantra loatra ny mponina amin’izao. Ny ankizy tsy misakafo ara-dalàna, hany ka tsy misy fitomboana na ara-tsaina na ara-batana », hoy ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana.
Hita soritra teny amin’ireo vahoaka tonga maro teny Ambohijatovo ny fanantenana. Liana izy ireo nihaino ny lahateny famelabelarana ilay programan’asa izany hany azo antoka fa hitondra ny tena fampandrosoana eto amintsika. Nohararaotin’ny kandida Marc Ravalomanana teto ny nampahafantatra am-pahibemaso ny vahiny manam-pahazaina manokana momba ny tsy fanjarian-tsakafo, izay hiaraka hisalahy aminy amin’ny famahana io olana eto amintsika io.
Raha ny tarehimarika dia Madagasikara no firenena faha-4 manana taha ambony indrindra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nihazo ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny kandida faha 25 taorian’ity fihaoanana nafana teny Ambohijatovo ity. Hetsika izay hitohy hatrany mandra-pahatongan’ny faradoboka izay ho tontosaina eny Mahamasina ny 3 novambra ho avy izao.