Aly
Hotsaraina anio, any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Toliara ny raharaha momba ireo mpandraharaha sokatra antsokosoko, na mpanondrana antsokosoko sokatra, tratra tany Toliara ny 9 aprily lasa teo. Sokatra mahatratra 10 000 mahery no sarona tany amin’ireo olon-dratsy ireo tamin’io fotoana io, ka nitanana azy ireo vonjy maika am-ponja, ary izao ho tanterahana anio izao ny fitsarana azy ireo. Ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana: biby sy zava-maniry tsy misy hafa-tsy eto Madagasikara dia ny WWF (World Wildlife Fund), ny Durrell, ny Turtle Survival Alliance (TSA), noho izao fandringanana ny harem-pirenena arovana izao dia miangavy amin’ireo tompon’andraikitra tsy hamela ho vitavita foana izao raharaha izao, fa hanafay faran’izay mafy ireo mpanondrana antsokosoko sokatra: harem-pirenena arovana izao.