Isambilo
Hatramin’ny alatsinainy teo, faritra 5 no voatsidiky ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana dia ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, ary Betsiboka. Nandritra izany, kaominina sy fokontany maro no voatsidik’i Dada, nanomboka tao Manjakandriana, Alatsinainy Bakaro, Anosibe An’ala, Vatomandry, Mahanoro, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Andilamena, Mahazoma, Maevatanana,… Feno hipoka foana ny kianja tamin’ireo toerana rehetra nolalovany ireo, hita taratra ny handrotsahan’ireo rehetra nolalovany ny N°25 amin’ny 7 novambra ho avy izao. Tao Fenoarivo Atsinanana, hatramin’ireo olona nanao tee-shirt Rajoelina aza dia tonga nihoby sy nanaraka ny fampielezan-kevitr’i Dada. Fa ankoatra izany, araka ny voalaza teo, nisy koa ireo tanàna kely nolalovany: toy ny tanySahambala, Fotsimavo, Ambodiharatra, Ambalarondro, ka nanazavan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, ny fandaharanasany dia ny MAP 2 sy ny fanomezan-tokiny na ilay “Manifesto”. Nitohy ny tolakandro izany, ka taoMahavelona–Foulpointe, dia vorilanona ny vahoaka avy amin’ny tanànan’i Besokona,Andodabe, Antaratasy, Ampasimbe, sns...Tsotra ny hafatra, “mila harenina ny Firenena hoy ny kandidà satria tao anatin’ny 9 taona dia nitontongana avokoa ny tarehimarika rehetra”. Aminy dia tsy izay milaza ho manorina sy mpanangana rehetra akory dia inoana fa misy koa ny mahay kokoa raha mandrava sy manapotika ireo mpifaninana ireo. Ny MAP2 dia tsy inona fa fanarenana haingana ny lentan’ny Firenena aloha, ka lohalaharana ny fandriampahalemana, ny sakafo ho an’ny
Malagasy, ny fianaran’ny mpianatra, ary ny fahasalamana sy ny asa ho an’ny vahoaka. Ny ankoatra izay dia mbola haitraitra avokoa. Nazavain’i “Dada” avokoa izany teny amin’ny toerana rehetra nandalovany.