Isambilo
Faritra maromaro eto amin’ny Nosy indray no voatsidiky ny kandidà Marc Ravalomanana N°25 omaly sy afak’omaly dia ny faritra Sofia, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Analamanga. Ankoatra ireo renivohitry ny faritra, nisy ny fitsidihan’i Dada ireo kaominina sy tanàna madinidinika amin’ireo tanàna ireo. Tsapa nandritra ireo fitsidihana ireo fa efa manangasanga ny fandresen’i Dada N°25 amin’ny fifidianana ny 7 novambra ho avy izao, satria mifampatoky tanteraka i Dada sy ireo olona marobe rehetra nihaino azy nandritra ireo fitsidihana ireo. Ny « Manifesto » no hany vahaolana amin’izao loza mihatra izao, herinandro manaporofo ny fitiavana sy finiavan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, ny hihaona sy handresy lahatra ny mpiray tanindrazana hifidy azy tamin’ity herinandro ity. Raha tany Atsimo izy tamin’ny fiandohan’ny herinandro dia tany Atsinanana sy Analanjorofo ary Alaotra Mangoro izy ny Talata sy Alarobia teo. Raha ampahatsiahivina dia tao Andilamena no namaranany ny tao Alaotra Mangoro.
Teboka telo no nasiany resaka tamin’izany, ka anisan’izany ny tsy fisian’ny fahafahana eo amin’ny fitenenana izay sakana eo amin’ny fifandraisana. Ny faharoa dia ny faharatsian’ny làlana, ka sahirana ireo tompon’andraikitra avy any Ambatondrazaka raha mandeha mitsidika an’Andilamena. Ary ny farany dia ny tsy fandriampahalemana. “Ny tena anton’ity toe-draharaha ity”, hoy ny kandidà Ravalomanana Marc, “dia ny fakana an-keriny ny fitondrana tamin’ny 2009 satria nomena fitaovam-piadiana ireo mpanongana dia tsy naveriny ireny ary nampanofaina izy ireny”. Tsy mety raha mihemotra ny fifidianana.
Tany andrefan’ny Nosy koa izy, tao Mahajanga, Marovay, Ambato Boeny, Madirovalo, Mahazomà, Bevilany ary Maevatanana. Ny anton’ny tsy fananan’asa no tena nasiany resaka tao Mahajanga ka noho ny tsy fihodinan’ny orinasa nitsangana teo aloha sy ny tsy fananan’ny te-hanangana orinasa renivola (fonds) ary ny tsy fahitàna mpiara-miombon’antoka (partenaire) izany. Momba ny fifidianana dia efa mamatsy vola ny Frantsay sy Norveziana amin’ny alàlan’ny SACEM, hoy ny kandidà Marc Ravalomanana ka raha tsy tanteraka amin’ny daty voatondro ny fifidianana dia tsy hamatsy vola intsony ny avy any ivelany, ary hihemotra telo volana, iray taona, dimy taona toy ny tetezamita indray izany. Tao Marovoay kosa dia ny fanamboaran-dàlana sy tetezana ary ny famerenana ny fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana tena izy no namafisiny. Raha fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana (déconcentration et décentralisation) dia azo ampahatsiahivina fa nisy famatsiam-bola avy amin’ny PNUD sy UNICEF ny taona 2006 sy 2007, ka minisitera fito no nanombohana ny fanadihadiana sy nametrahana tetikasa hanatanterahana izany. Tao Madirovalo dia nanome tsodrano sy nampahatsiahy ireo zava-bitan’ny kandidà Marc Ravalomanana ny ray aman-dreny tao an-tanàna, ka hiverina eo amin’ny fitondrana indray izy. Ny kandidà laharana faha-25 kosa dia nanamafy ny tokony hikajiana ny soatoavina, haverina ny fitsaboana ary omena sakafo avokoa ny vahoaka. Hanangana orinasa madinika sy salantsalany amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny GIZ Alemà isika hoy izy. Mafana dia mafana tokoa ny eto Maevatanàna, hoy ny kandidà Ravalomanana Marc, na eo amin’ny toetrandro na eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hafatra ho an’ny mpitandro ny filaminana: ho an’ny Tanindrazana no teny fanevan’ny mpitandro ny filaminana koa tsy maintsy miaro ny olona sy ny fananany izy ireo ary homena fitaovana hoentiny manatanteraka izany. Hatsangana ihany koa ny fitsarana tena mitsara marina. Nomarihan’i Dada fa tsy nisy “kidnaping” tamin’ny androny ary ataon’ny olon-dratsy fitadiavam-bola izy io amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 2015 no nitrangan’ity toe-draharaha ity tany Toamasina ary ankizy mianadahy, zanaka mpandraharaha izy ireo, ary niafara tamin’ny famoizan’ain’ilay ankizy vavy. Tao Mahazomà sy Bevilany dia fampianarana, ny fahasalamana sy ny fananganana fotodrafitrasa ary ny famenoana ny biletà tokana no nifantohan’ny fanentanana nataon’ny kandidà Ravalomanana Marc. Satria malaza amin’ny fambolena voatabia ny ao Ambato Boeny dia nanome toky izy fa hanangana orinasa hanodinana ny vokatra satria ilaina miasa ny tanora.
Misongadina hatrany ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, satria tsy mionona mitety ireo tanàn-dehibe izy fa tonga hatrany amin’ireo tanàna madinika koa.