Tsy niandry ela ilay mpanakanto fanta-daza izay vao avy nanao fampisehoana teto Madagasikara dia naneho ny heviny momba ny seranam-piaramanidin’Ivato. Naparitany tamin’ny tambajotra sosialy Twitter ary fa “tamin’ny fitetezana izao tontolo izay izay natao dia ny seranan’Ivato no tompon-daka amin’ny fitarazohana indrindra”. Vetivety izany dia niparitaka maneran-tany, satria olo-malaza izay betsaka mpanaraka ny fanehoan-kevitra no miteny. Tsy fantatra mazava kosa izay nanjo ity artista ity tao amin’ny seranam-piaramanidina. Ny zava-misy aloha, izay efa nampitaraina ny maro ombieny ombieny saingy tsy nisy nihaino ary tsy nitondra fanovàna, dia ny filaharam-be. Na izany amin’ny fametrahana ny entana na koa izany amin’ny fanolorana ny takila dia filaharam-be hatrany. Rehefa tonga indray dia mbola filaharam-be koa ny fanombohana ny pasipaoro sy ny kara-pahasalamana. Io farany dia tsy hita loatra izay tena dikany ary tsy fahita maneran-tany. Manginy fotsiny ny kolikoly etsy sy eroa izay mba hita aloha fa somary nihena kely rehefa nalain’ny vazaha sary ny mpitandro ny filaminana iray tratra ambodiomby naka 100 euros. Na izany aza dia tsy nisy fanarahana ny tompon’andraikitra tamin’izany kolikoly izany ary mbola narovan’ny lehibeny indray aza ilay nanotra. Mbola mankarary ny olona koa saingy tsy afa-manoatra, ny tsy fahafahana miditra ao anatin’ny seranana intsony raha hanatitra na hitsena. Izany koa dia tsy fahita maneran-tany raha tsy eto amintsika ihany. Mila fanovàna satria mahamenatra loatra ary efa malaza eran-tany ankehitriny.
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Antananarivo
moderate rain
20
°
C
20
°
20
°
100 %
1.5kmh
75 %
Tue
24
°
Wed
25
°
Thu
20
°
Fri
22
°
Sat
20
°
This message is only visible to admins.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Problem displaying Facebook posts. Backup cache in use.
Error: This Page access token belongs to a Page that is not accessible.
Type: OAuthException
Type: OAuthException
Arahaba tratry ny taona 2025!
Ho taom-pandresen’ny fahamarinana anie!
Izahay eto amin’ny FB Ny Valosoa Vaovao dia miato amin’ny fizarana vaovao sy ny fanehon-kevitra samihafa.
Mitohy ary miova endrika ny tolona.
Mankasitraka ary mankatelina anareo marobe nanaraka anay nandritr’izay 6 taona izay.
MADAGASIKARA HO AN’NY MALAGASY!
... TohinyFintinina
View Comments
- Likes: 1
- Comments: 0
- Shares: 0
0 CommentsComment on Facebook

... TohinyFintinina
Ce contenu n’est pas disponible actuellement
Ce problème vient généralement du fait que le propriétaire ne l’a partagé qu’avec un petit groupe de personnes, a modifié qui pouvait le voir ou l’a supprimé.0 CommentsComment on Facebook