Helisoa
Dimy taona: 2009-2013 ny kandida Rajoelina Andry mpanongam-panjakàna no nitondra ny fanjakàna teto Madagasikara raha nanala tamin’ny alalan’ny herisetra teo amin’ny fitondràna ny filohampirenena voafidimbahoaka Marc Ravalomanana tamin’izany. Tsy maintsy misy fahataperana anefa ny tetezamita dia niakatra teo amin’ny filondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay notohanan’i Andry Rajoelina rehefa nisy ny fifidianana nifanandrinan’izy sy Jean Louis Robinson tamin’izany.
Vao niakatra teo amin’ny fitondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny taona 2013 dia nisy ny disadisa niafara tamin’ny fisarahana teo amin’ireo niara-nisaika tamin’ny tetezamita dia i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina, satria lazain’ity mpanongam-panjakàna ity fa nitsipa–doha laka nitana hono Hery Rajaonarimampinina, fa tsy nanaraka ny lohany sy izay nifanarahan’izy ireo talohan’ny naha kandida ity farany. Vokany, lasa tany am–pitandranomasina Rajoelina nandritra ny fotoana naha teo amin’ny fitondràna ny HVM, na tsy nisy nanenjika azy azy teto Madagasikara, fa nilaozany nigalabona tamin’ny harembe azony tamin’ny fitondràna tetezamita. Navelany teto an–tanindrazana ireo namany ary nangina tsy nahitan–teny ity farany nandritra izay fotoana izay, ka na nisy aza ny fanenjehana ny namana akaiky toa an’i Augustin Andriamananoro nosamborina teny ampandevenana ny rafozany, Lanto Rakotomanga nitondra volabe tamin’ny baoritra nosemporina tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso tao anaty fiara nitondra azy ary ny kolonely senatera Lylison nifampitadiavana sy nogadraina rehefa nitarika olona hanao tanàna maty dia MOANA tanteraka i Andry Rajoelina.
Amin’izao fotoana, mbola fitahiny amin’ny fampanantenana poak’aty ny vahoaka Malagasy MIAMI, Paris , Bulding sns…. , jonoina amin’ny vary sy menaka mora tsy mahavita taona ny vahoaka madinika. Fitiavana lehibe indrindra ny vahoaka Malagasy trotraky ny fahantrana napetrak’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakàna ve ny fandehanana mipetraka any Andafy na tsy nisy NOTAM aza? Ny filoha Marc Ravalomanana anefa MIFANOHITRA tamin’izany ny nahazo azy. Noraràna tamin’ny alalan’ny NOTAM izy sy ny fianakaviany tsy hiditra teto Madagasikara, fa raha vao miverina izy dia GADRA no miandry azy. Tsy nahoan’i Dada anefa ny fampihorohoroana fa nataony ny fomba rehetra niverenany teto an–tanindrazana.
Mipetraka eto ny fanontaniana tsy izany ve no tena fitiavana lehibe indrindra ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy, fa tsy izay tonontononina eo amin’ny vava fotsiny ?