Sôh’son
Tsy matoky ary tsy manome lanja ny manampahaizana malagasy i Andry Rajoelina.
Hita taratra izany amin’ny zavatra nambarany toy ny resaka lazainy, ohatra, amin’ny fametrahana “puce” amin’ny omby. “Efa naka expert avy any ivelany aho”, hoy izy. Io vahiny nalainy io no hanao ny “puce” sy hivarotra izany eto. Fanomezana vahana tsotra izao ny vahiny hatrany amin’ny sehatr’asa eto amin’ny firenena izay efa fanaony io. Nahoana no maka manam-pahaizana avy any ivelany? F’angaha tsy hisy Malagasy afaka hahavita izany eto. Tsy matoky ary tsy manome lanja ny mpikaroka eto an-toerana izany n’inona n’inona ambarany sy ny mpanohana azy. Midika tsotra izao koa izany fa misy tetika maizina tiany atao miaraka amin’ny vahiny tsy fanta-pototra rehetra izao eto amin’ity firenena ity. Tsy mandehandeha ho azy akory ny volabe efa nolaniana tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fihodinana voalohany sy izao miatrika ny fihodinana faharoa izao. Volabe izay fantatra fa mahatratra ny tetibolam-panjakana ampiasaina ao anatin’ny telo taona.
Iaraha-mahalala fa be ireo sekoly ambony eto amin’ny firenena no manao fikarohana ary mamoaka mpianatra vita fianarana isan-taona. Maro manam-pahaizana eto amin’ity firenena ity. Fa tsy fantatr’i Andry Rajoelina izany. Ahoana koa no ahafantarany izany fa variana amin’ny “bizina hamarotana ity firenena ity” fotsiny ny tenany sy ny manodidina azy. Efa nisy izany fa tsy foronina akory tamin’ny andron’ny tetezamita. Amin’ny fomba ahoana no itokisana olona toy izany izay mikasa hitondra firenena. Ny manam-pahaizana eto dinganina ary tsy ifampierana akory amin’ny vinan’asa kasaina hotanterahina, ka firenena inona no handroso na hisandratra amin’izany?
Resabe mampandry adrisa hatrany no tena hainy ary hala-tahaka amin’ny programan’asan-dRavalomanana no mody isehosehoana fa tsy misy zava-baovao. Ny fototra amin’ny fampandrosoana raha hanandratra marina ny firenena izany aza tsy hita amin’izay ambarany hatramin’izay ka hatramin’izao. Io tsy mety hanaovana hala-tahaka be fahatany amin’ny any ivelany araka ny eritreriny. Izay mety ho voafitany amin’izany no mila mieritreritra lalina dieny mbola misy fotoana mialohan’ny 19 Desambra sao diso aoriana ka hanenina.