Andry Tsiavalona
Tsara hampatsiahivina ihany ny lasan’ireo tomponandraikitra roa voalohany ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) amin’izao fotoana izao.
Ny filohany, Rakotomanana Hery, dia efa filohan’io rafitra io tamin’ny fitsapankevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenan’izao Repoblika IV izao ny volana Septambra 2010. Niaraha-nahatadidy fa karnem-pokontany dia nahafahana nandeha nifidy ho solon’ny karapa-pifidianana ary tsy mbola nisy fifidianana ratsy fanomanana toa iny manerana an’i Afrika mba tsy ilazana hoe manerana an’izao tontolo izao.
Ny filoha lefitra, Rakotonarivo Thierry, indray dia anisan’ny nitarika ilay fivondronan’ny mpiasam-panjakana, “grand corps”, nitaky fanamboarana maro momba ny fitantanana ny mpiasam-panjakana (alignement et consolidation) tamin’ny fitondrana tetezamita saingy rehefa notolorana seza tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany izy dia napetrapetrany izany fivondronan’ny mpiasam-panjakana izany ka zary fihaonana toy ny fihaonana rehetra eto Madagasikara ihany izay tsy nisy tohiny ka very an-javony fotsiny. Voatendry ao amin’ity andrim-panjakana ity indray izy roalahy ireo ary rehefa nandeha ny resaka fa voavidin’ny kandidà laharana faha-13, Rajoelina Andry, ny CENI dia nandaha mafy ity filoha lefitra ity fa tsy mba nandray izany vola izany kanefa takona tao ambadiky ny kasketiny ny masony roa izay mitory ho azy na marina na tsy ny nambarany.
Raha ny ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana indray dia efa nisy tranga ihany koa tamin’izao Repoblika IV izao. Efa in-droa,no efa tokony nihongana tamin’ny maha filohan’ny Repoblika azy Rajaonarimampianina Hery, ka ny voalohany dia ilay “motion de déchéance” nolanin’ny depiote 121/151 kanefa ny didy navoakan’ny HCC dia ny “pacte de responsabilité” ka nisy loko politika izany ilay didy.
Ny faharoa dia ny tsy nahatafatsangana ilay Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice) tokony ho tafapetraka roambinifolo volana taorian’ny nanaovany fihanianana kanefa dia tsy tanteraka efa-taona aty aoriana.
Tsapa avy amin’ireo koa izany ny fomba fiasa manalasalan’ireo andrim-panjakana roa ireo tamin’ny lasa. Tamin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao dia maro ny fitoriana napetraky ny fivondronan’ny kandidà niisa 25 momba hala-bato sy hosoka ary tsy fahatomombanana, taloha, nandritra ary taorian’ny fihodinana voalohany. Anisan’ny nametraka fitarainana niisa 208 ihany koa ny kandidà Ravalomanana Marc izay nosintoniny noho ny fanetretena sy ny fiheverana ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana momba ny fitoriana nataon’ny vondron’ny kandidà niisa 25 dia fanambarany fa “azo raisina fa tsy mitombona”.
Nanambara ihany koa ny CENI fa mpiasa amam-polony tao no noroahina taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy fihodinana voalohany fa mpiasa amam-polony no noroahina satria niandany, tsy nazava moa hoe niandany tamin’iza izy ireo, kanefa raha ny tranga rehetra amin’izao fotoana izao dia azo heverina fa niaro ny vaton’ny kandidà laharana faha-25 ireo mpiasa ireo. Tamin’izao fihodinana faharoa izao vao mibaribary fa tambazotra efa napetraka hatramin’ny fihodianana voalohany izao, porofon’izany ny fanambarana sy nanaovan’ny kandidà laharana faha-13 fety tamin’izany fa lany izy, ka tafiditra ao ny ambaratongam-pitantanana rehetra: depiote, praiminisitra, minisitra, lehiben’ny distrika, ben’ny tanàna, sefom-pokontany, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, mazava ho azy, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Efa hita mibaribary izao ny hosoka sy hala-bato ary ny fanaparitahana biletà tokana efa voamarika mialoha (bulletin pré-coché), ny fizaràna karapanondrom-pirenena (toy ireo hita teny ambany tetezan’i Tanjombato taorian’ny fihodinana voalohany) sy kara-pifidianana sandoka. Nijoroan’ny Tale Jeneralin’ny Tranopiritim-pirenena ho vavolombelona fa nisy ny baiko nidina nampanonta karapanondrom-pirenena sy kara-pifidianana izay tsy fantatra hoe natao inona. Manginy fotsiny ny fandatsahana aina olona, mpomba ny K25, (Ankazoabo Atsimo) izay namaivanina tokoa satria nolazaina fa tsy nisy nifandraisany tamin’ny resaka fifidianana. Nisy koa ny fampihorohoroana nandritra ny andron’ny fifidianana boriboritany faha-4 sy faha-5 nataon’ny depiote niaraka tamin’ny bokonozatra nirongo fitaovam-piadiana, angamba, tsy andraikaitry ny CENI ny momba izany vono olona izany fa ny governemanta kosa dia heverina fa tokony nandray andraikitra (minisitry ny fitandroana ny filaminana, ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana) satria izay no nananganana azy dia ny hanatontosa fifidianana eken’ny rehetra, mangarahara sy marina. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa: ny olona marina toy ny ombalahy ampandrojinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay.