Sôh’son
Tato anatin’ny 10 taona izao dia nihamafy ny geja atao amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Geja izay mihàtra indrindra eo amin’ny lafiny politika sy ny fitantanam-pirenena. Misalobo-komana amin’izany ny olom-bitsy teratany Malagasy, karana mpanefoefo eto an-toerana, ary vahiny any ivelany ka lohany amin’izany ireo mpanao politika maloto frantsay. Ireto farany dia miafina hatrany ao ambadiky ny hoe “fianakaviambe iraisam-pirenena”, ary tsy miahotra manao tsindry amin’ny endrika samihafa na mivantana na an-kolaka tsy hitan’ny valalabemandry.
Ho an’ny olom-pirenena mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ity fireneny ity sy ny mpandalina dia mahita fa miezaka hatrany ireo sokajin’olona ireo mamikitra ny firenena sy ny vahoaka tsy ho afa-miala amin’ny sori-dalana soritany, izay manafina ny kajikajy politika maloto tsy mikendry hafa-tsy ny tombontsoany manokana. Fihatsarambelatsihy mazava loatra no betsaka fonosin’izany politika firaisan’izy ireo petsapetsa izany amin’ny mody filazana mandrakariva ny amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Anisany ihany koa ny amin’ny hoe: fitoniana izao no ilain’ny vahoaka Malagasy fa tsy mendrika azy intsony ny korontana. Mety ho marina ihany angamba izany amin’ny lafiny iray tokana, fa miendrika fanasana ati-doha sy fanampempoana tsotra izao ny vahoaka no dikan’izany. Ao anatin’ireo teny ireo ilay fihatsarambelatsihy fikendrena politika maloto kasaina hotanterahina eto amin’ity firenena ity n’inona n’inona ambara sy fanazavana. Ho an’ireo olom-bitsy sy sokajin’olona ireo dia toy ny “haza na nofon-kena an-tanan-tsaka” ity firenena ity sy ny vahoaka Malagasy satria ahitany tombontsoa goavana ka hazonina amin’ny fomba rehetra azo atao tsy ho votsotra eo am-pelatanany. Tsy tongatonga ho azy ireny an-kamely tampoka teny amin’ny Parvis Analakely ireny niantomboka ny Alarobia 02 Janoary lasa teo iny, fa misy antokon’olom-bitsy ao anatin’izy ireo no mibaiko sy ati-doha amin’izany. Ho an’ireo olom-bitsy teratany Malagasy , mpanao politika maloto sy efa mpanefoefo noho ny harena norobainy tsy ara-drariny teto, dia tsy olana ho azy raha lafo ambongadiny any aza ity firenena ity, ka vahiny no hanjakazaka eto. Tsy levon’ny vavonin’izy ireo raha misy Malagasy tafasandratra ara-pihariana ka mety hifanandrina aminy sy haharesy azy eo amin’ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy ifarimbonan’izy ireo ny manapotika tanteraka izay olona toy izany eto satria mety ho vaki-barara ny teti-dratsiny. Tsy olana ho an’ireo olona ireo izay hanjo ny taranaka any aoriana any na hiafara amin’ny manjo ireo olona mahantra tany Inde fahiny izay lasa natao anjorom-bala, sy toy ireo amérindiana any Etazonia, mponina voalohany sy tompon-tany, izay zara fa misy mpahalala amin’izao fotoana izao. Tsy azo ekena ny hanaovana ity firenena ity ho toy izany ary raha mbola Malagasy tia tanindrazana koa dia tsy hanaiky marindrano izany velively. Nataon’Andriamanitra ho an’ny Malagasy ity Nosy ity fa tsy ho an’ny vahiny sy hanjakany. Ny Malagasy no masi-mandidy eto amin’ny taniny, ka ny mifanohitra amin’izany dia lavina marindrano. Ampaherezina araka izany ireo Malagasy maro an’isa saro-piaro fatratra amin’ity firenena ity ary mijoro hampanjaka ny fahamarinana eto, fa fotoana tokoa ijoroana izao hanapahana ny geja sy fatotra hanaovana antsika ho toy ny “haza sy nofon-kena an-tanan-tsaka”.