EDITO 15 Janoary – Repoblika inona izany izao ity miseho na kasaina hajoro eto ity?

Sôh’son

Hampizorina ho aiza ity firenena ity? Fanontaniana mitambesatra ao an-dohan’ny olom-pirenena maro io ankehitriny, taorian’ny filazana fa tsy hisy fianianana amin’ny Baiboly sy fotoam-pivavahana amin’ny andro hanaovan’i Andry Rajoelina fianianana.

Maro no nitodika tany amin’ny soatoavina sy kolontsain’ny Malagasy ny amin’ny fahatsiarovana mandrakariva an’Andriamanitra amin’ny fitondrana firenena. Ny mpanjaka Andrianamponimerina dia nanome lovantsaina tsara ho an’ny mpitondra fanjakana tamin’ny androny. Anisany nampahatsiaroviny ireo tandapa sy mpanolontsaina rehetra niara-niasa taminy mandrakariva fa adidy nomen’Andriamanitra Ilay Mpahary izao rehetra izao azy ireo ny fanjakana sy fiahiana ny vahoaka. Hadisoana tanteraka sy heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fampahantrana ny vahoaka sy ny fitondrana ny firenena any amin’ny lalan-diso haha mena-mitaha azy amin’ny firenen-kafa. Nampiavaka ity mpanjaka ity eo amin’ny tantaram-pirenena ny fahaiza-mitondra fanjakana sy ny fahendrena nananany, ary nisy fiantraikany tsara teo amin’ny vahoaka sy ny fanjakany izany. Nazava ihany koa ny lalan-kizoran’ny fanjakana tamin’izany. Maromaro ihany koa ireo mpanjaka nifandimby taoriany no nanome lanja an’Andriamanitra teo amin’ny fitantanana ny fanjakana ary tao anatin’izany mihitsy no nanorenana fiangonana teo akaikin’ny Lapa; ary isika eto Madagasikara irery ihany no manana izany toe-javatra izany…

Manao dingan-dava mankaty amin’izao vanim-potoana faharoa amin’ny Repoblika faha-4 izao isika. Sakodiavatra ny maro sy ny mpandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny amin’ny anjara toerana hametrahana an’Andriamanitra izany eo amin’ny fitantanam-pirenena. Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy mihitsy ny “laïcité de l’Etat” izany, fa fisainana tandrefana napetraka amboletra tsy nakan-kevitra tamin’ny vahoaka Malagasy io. Foto-pisainana izay toy “ny randrana tsy manendrika ny hafa”, isika Malagasy, fa noterena fotsiny ihany nataon’ireo mpitondra fanjakana. Teo hatrany mantsy ny fiheverana ny vahoaka ho toy ny zaza ka azo entina amin’izay tian’ny mpitondra hitondrana azy. Tsy nisy mihitsy ny fisainana mba hanontany ny heviny amin’izay lalan-kizoran’ny firenena. Efa ela anefa no tokony hanatanterahana izany eto. Ny fandinganana ny vahoaka fotsiny toy izany dia misy fiantraikany ratsy mandrakariva teto ary dia izao iaraha-mahita izao ny niafaràn’ny firenena. Olom-bitsy no manao izay hahatanterahan’ny heviny sy tetiny dia tereny fotsiny izay hahatongavana amin’izany na ho inona ny vokany. Tsy nahasoa ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisin’olom-bitsy teto hatramin’izay. Mila mahay ny tantara ny olom-pirenena tompon’andraikitra…

Anisan’ny adihevitra mandeha ihany koa ankehitriny, ankoatra ireo efa teboka lehibe ao anatin’izany, ny amin’ny famaritana ny hoe: repoblika inona àry isika ity izany izao raha araka izay hiseho manomboka izao? Hiova ve izany ny ambara ao amin’ny savaranonandon’ny lalampanorenena ny amin’ny fanamafisana fa mino an’Andriamanitra ny vahoaka Malagasy, ary ahindrahindra ny maha Laïka ny fanjakana ary ho hatraiza izany?

Misy karazany ny repoblika maneran-tany arakaraka ilay rafi-pitondrana ampiharina ao aminy. Efa misandrahaka amin’ny lafivalo maneran-tany rahateo ny firehan-kevitra isan-karazany izay misy mifanohitra, fa tsy mijanona fotsiny intsony amin’ny Tandrefana sy Tatsinanana talohan’ny taona 90. Koa mirona amin’inona izany ny eto Madagasikara izao? Adihevitra sy fanontaniana mila valiny izany, izay andrasana amin’ireo olona mpiseho mpamaritra ny politikam-pirenena eto.