Sôh’son
Raha ambara ankehitriny fa tsindronina amin’ny vaksiny iadiana amin’ny kitrotro ireo zanaka Malagasy handritra ny volana maromaro, dia toy izany ihany koa no manjo ny firenena. « Tsindrona vaksiny » vaovao hafa indray no atsindrona azy ankehitriny miainga avy amin’ny fanafody avy any ivelany tandrefana. Mazava loatra fa tsy hatoky izany ny olom-pirenena maro satria tsy nifampierana taminy izany.
Nanomboka tamin’ny taona 2009, no nisiana olom-bitsy, teratany malagasy sy vahiny nikotrika ny hitondra zava-baovao teto amin’ny firenena, izay nambarany ho « fanafody ». Niaraha-nahita fa namorika ny vahoaka sy ny firenena izany ka ny ngidin’ny fahantrana no nogohiny nandritra ny taona maro. Nahavarina fa afa-maina ireo olona ireo na dia nanao hadisoana bevava teto amin’ny tany sy ny fanjakana aza. Ny antony, nialohalo hatrany tao ambadika ireo “mpamatsy sy mpivaro-panafody” iraisam-pirenena tarihin’ny mpanao politika maloto frantsay. Tsy nahomby ny “tsindrona vaksiny” nampiharin’ny fitondrana tetezamita na dia nanao izay hanamafisana azy aza ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny taona 2010. Tsy atao ho mahagaga rahateo izany satria fototra ratsy no niaingàny.
Natao amboletra indray ny fanafody naparitaka teto amin’ny firenena ny taona 2014 ary “mpitsabo vaovao” no mody napetraka hitantana ny fitsaboana. Niaraha-nahita ihany koa ny tsy fahombiazany. Ny antony, ny lesona sy ny fomba fiasa teo alohany ihany no notaritarihany teo nandritra ny fe-potoana niasàny. Dia ireny notsarain’ny vahoaka noheveriny ho lemena ireny no vokany.
Ankehitriny, “fanafody”, heverin’ireo mitondra azy ho mahery vaika no atsindrona ny vahoaka sy ny firenena. “Fanafody” izay nanaraka lalana tsy ifanarahan’ny rehetra ny nanamboarana azy. Amboletra no ampanekena ny vahoaka handray izany tamin’ny alalan’ny fanambaran’ireo tsy toherin-teny sy mpitàna “kibay fankatoavana”fotsiny izao. Amin’ny fanaovana tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka handritra ny dimy taona. Moa mihevitra ireo fa hahomby ny fomba fiasa atao letrezana toy izany? Ny vahoaka Malagasy tsy zaza intsony, ary ny firenena mbola manana ny hasiny. Hatramin’izay nanaovana fihetsika toy izany dia tsy nahomby fa nanapotika firenena, ary namono vahoaka, mainka fa manampahefana sy mpitondra mihataka lavitra ny fahendrena? Raha tsy “fanafody” ifanarahana sy iarahan’ny vahoaka rehetra mihitsy no ampisaina eto dia ho zava-poana ihany ary ho fandaniam-potoana indray. Iaraha-mitazana ny dia…