Rajaonarimpanontsana
Mananontanina any ho any ny fisamborana manara-penitra faobe satria araka ny feo miely etsy sy eroa, sy ny vaovao voaray dia olona maherin’ny 60 eo indray no mbola ao anaty listr’ireo hosamborin’ny fitondrana mahakasika ny raharaha andramena na bois de rose.
Voalaza fa isan’ny nanondrana ity hazo voarara sy sarobidy ity avokoa izy ireo, na tamin’ny fotoanan’ny tetezamita nitondran’ny mpnongam-panjakana Andry Rajoelina izany, na tamin’ny andron’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary amin’izao fotoana izao koa. Ny mahavariana amin’ity raharaha ity dia ireo anisan’ny mpanondrana andramena indray no toa misambotra ankehitriny. Iza no tsy nahalala teto fa tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita ange no tena nanjakan’ny gaboraraka tamin’ny fanondranana ny harem-pirenena teto! Nalaza mihitsy fa tsy nisy ary tsy nahazo famatsiam-bola mivantana i Madagasikara fa dia ny harena teo am-pelatanana no namidy an-tsokosoko nampandehanana ny fiainam-pirenena. Vola avy aiza avokoa no nolanian’ny kandida nampiasainy tamin’ny fampielezan-kevitra. Nirarakopana ny vola tamin’ireny fotoana ireny. Efa nisy ny olona voasambotra ary voalaza fa resaka fanondranana andramena no nanenjehana azy. Tsy fantatra intsony izay tena marina fa dia samy mirirotra izay heveriny fa mahamety azy avokoa ny rehetra. Ao ny milaza fa tompon’antoka tokoa ireo olona voasambotra ireo. Ny ministry ny serasera teo aloha dia efa nanao ampamoaka nanambara fa ireo ao anatin’ity fitondrana ankehitriny ity no tena ati-doha nikotrika tamin’ny fanondranana andramena teto. Vavolombelona ny tenany tamin’ireny ary isan’ny nahita sy mahafantatra tsara ireo olona tena mpanondrana andramena teto amin’ny firenena. Ao ny mahatsikaritra fa toa mamofompofona valifaty politika izy ity. Tsy vitsy koa ny mieritreritra fa hatao hazalambo ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana. Azo lazaina koa anefa fa izay olona manelingelina rehetra dia ampanginina amin’ny alalan’ny fisamborana sy ramahatahora mba tsy hanakatsakana ny fanondranana harem-pirenena ataon’ireo tompon’ny fahefana.
Ny zavatra tsapa aloha ankehitriny dia tena mitrifana ny fanjakana mampihàtra izay fahefana eo am-pelatanany, fa hatramin’izao toa ny trondro madinika ihany no mbola tena mahita faisana, aleo koa ireo tena goaibe matory sy mihinana milamina izay remby efa azony ho anisan’izany koa, ary tsy tokony hisy fanavahana fa rehefa nanao dia nanao, na tamin’ny tetezamita, na tamin’ny fitondrana teo aloha, na ny amin’izao fitondrana izao.