Sôh’son
Efa iaraha-mahita ny fitantanana ara-politika misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, miditra amin’izao volana fahatelo amin’ny taona izao. Raha aravona, tsy mbola misy aloha ny fanantenan’ny vahoaka amin’izay hahatsara ny any amin’ny ati-vilaniny sy ny kitapom-bolany, na eo aza ireo fihetsiketsehana be etsy sy eroa ataon’ny fitondrana. Ny tontolo politika zary toa mahasadaiktra be ihany ny maro tsy hita izay hamaritana azy fa toy ny ankotralahy. Vao mainka izany mahavalalanina ihany rehefa mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ny nanaitra ny mpanara-baovao politika sy toe-karena, dia ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika momba ny raharaha mitranga any Amerika latina amin’izao fotoana izao. Ny voambolana nivoaka ny vavan’ny mpandinika dia hoe : tafajabaka indray i Andry Rajoelina? Ny anton’izany dia hoe: tena tokony haneho hevitra sy hanohana olona any ve ny fitondrana Malagasy? Raharaha tokantranon’ny firenena iray. Aoka tsy hohadinoina fa nifanarahana sy nifanaovan-tsonia tao amin’ny Firenena Mikambana hatramin’ny taona 1945 nananganana azy dia ny amin’ny tsy fitsabahana amin’ny raharahan-tokantranon’ny firenena iray.
Tsy atao ho mahagaga raha nanohana ny olona nitsangana sy nitonon-tena avy hatrany ho filoha tany Venezuela ny Amerikana na i Donald Trump satria iaraha-mahalala tsara, eny misy ny tsy mahalala, fa i Amerika latina dia heverin-dry zareo Amerikana hatrany ho toy ny nofon-kena an-tanan-tsaka na “chasse gardée”. Tsy maintsy mitady olona hatrany ho olony i Etazonia any amin’iny faritra iny ahafahany mametraka izany hatrany mba tsy ho tafiditry ny Rosiana na ny Sovietika, indrindra amin’izao politika avo lenta ampiharin’i Vladimir Poutine izao. Efa nanahiran-tsaina azy mafy ny tamin’ny andron’i Hugo Chavez tany, koa hirika iray lehibe ahafahany miditra ity tranga miseho ao amin’ity firenena ity. Toy izay ihany koa ireo firenena maromaro eo anivon’ny Vondrona Eoropeana. Firenena manan-karena indrindra eo amin’ny lafiny solitany i Venezuela ka tsy atao ho mahagaga ihany koa ny fihetsik’ireto firenen-dehibe ireto. Dia izay no nahatonga ny adihevitry ny mpandinika politika sy toe-karena eto amin’ny firenena hoe: mijabaka indray Rajoelina, ary iza ihany ny mpanolo-tsaina manome hoditr’akondro azy ao toy tamin’ny andron’ny tetezamita raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena?
Tsy tokony i Madagasikara no hiditra amin’ny sangodina politika amin’izany ary tsy tokony hanara-dia ny fitsabahana raharahan-tokantranon’ny firenena iray toy ny ataon’ireo i Madagasikara. Ny tokony ho natao dia ny fiangaviana ireo mpifanolana eo anivon’io firenena mandalo krizy io mba hiezaka hifampiresaka sy hitady vahaolana ho fitsinjovana ny vahoaka. Hadisoana ny fiandaniana amin’iray amin’ireo mpifanolana, fa ny olantsika eto an-toerana ary tsy voavaha.