IZAY HO FIFIDIANANA ETO

IZAY HO FIFIDIANANA ETO

Raha ny olona toy ireo no mbola avela hikarakara,
Raha ireo no mbola avela hiandraikitra ny fifidianana,
Dia inoy, tsy hisy akory izany hoe mangarahara,
Sady tsy ho madio mihitsy izay ho voka-pifidianana.

Na ny teny izay lazainy na ny zavatra nambarany
Dia toa efa fampiomanana ny amin’ny “fitanilàny”.
Izay hoe fahaleovantenany, “fahaleovantena anarany”,
Efa fantatra mialoha ny foto-kevitra ombàny.

Raha ny olona toy ireo no mbola haverina hitsara,
Raha ireo no hamoaka vokatra, raha ireo no hamoaka didy,
Dia tsy hisy zava-banona eto Madagasikara:
Hadisoam-panantenana no hameno ny mpifidy.

Koa ianao hirotsaka io, ianao maniry hifidy koa,
Izao dia efa miomàna fa ho ratsy ny tantara.
Izay ho fifidianana eto , tsy hitondra voka-tsoa
Raha mbola ireo no hamikitra eo sy mbola ho mpandray anjara.

DADAN’i ZINA (22-03-19)