“Vohay midanadana ny varavaran’ny sekoly dia hikatona ho azy ny varavaran’ny fonja”. Tenin’ny olon-kendry anankiray izany ary ny maro dia miombon-kevitra tanteraka amin’izany. Rehefa midanadana ny varavaran’ny sekoly ka tomombana ny fampianarana sy fanabeazana eo amin’ny firenena iray dia azo antoka fa hihena tanteraka ireo mpangalatra, mpandroba, jiolahy amin’izany firenena izany. Mahagaga anefa eto amintsika fa ny fonjan’i Nosilava izay efa nakatona ela satria tena tsy zarizary sy tsy manaja ny fepetra momba ny fanajana ny zon’olombelona no tadiavin’ny filoha ankehitriny hamboarina sy hiverenana hosokafana.
Tanora fanahy tokoa angamba izy ka mbola tsy teraka tamin’ny taona 1972 izay nandefasan’ny filoha tamin’izany ho sesitany tany Nosilava ireo tanora mpianatra teny amin’ny Anjerimanontolo sy ireo mpanao gazety na olona sasantsasany nampangaina ho nitarika fihokoana hanongam-panjakana tamin’izany. Nahatezitra ny teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra samihafa izany ka nahatonga hetsi-panoherana izay tsy nijanona raha tsy niafara tamin’ny fionganan’ny filoha Philibert Tsiranana. Nofy ratsy ho an’ny mpitondra tamin’ny repoblika voalohany izany nandefasana olona ho sesitany tany Nosilava izany, satria tena anisan’ny fahadisoana goavana nataon’izy ireo tamin’ny fitantanana ny vahoaka. Ankehitriny dia tian’Ingahy Rajoelina haverina indray ny fanokafana izany fonja izany. Ny fanontaniana dia hoe izany ve no tena maika sy laharam-pahamehana ankehitriny? Izany ve no tena takian’ny maro amin’ny Malagasy amin’izao fotoana hisian’ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena izao? Tsy ampy ve Antanimora sy Tsiafahy ary Ambalatavoahangy sy ny hafa sa tena mbola ho lava ny lisitry ny hiditra am-ponja ka dia efa manao fiomanana “manara-penitra” ny amin’izany ny mpitondra ankehitriny?
Mila vola, ary tsy kely akory, izany fanavaozana sy fananganana fonja vaovao izany. Saingy tsy aleo ve manorina sekoly sy trano fianarana vaovao hanampiana sy hanatsarana ireo EPP, CEG maro eto amin’ny nosy, izay tena ratsy sy mahonena ny sasany amin’izy ireo? Tsy aleo ve ny vola hividianana aron’akanjo sy fitaovam-pianarana ho an’ny zaza malagasy satria tao anatin’ny 3 taona dia hita ho nihena be ny isan’ny mpianatra mianatra any ambaratonga faharoa fototra vokatry ny fahantran’ny raiamandreny? Tsy aleo ve hanampiana ireo mpampianatra FRAM na miasa an-tselika ka mikarama ambany lavitra noho ny karama farany ambany eken’ny lalàna eto Madagasikara? Voatery mantsy ny maro amin’ireny mpampianatra ireny hitady vadin’asa satria tsy mahavelona azy ny karama maha-mpampianatra. Vokatr’izany dia ratsy sy tsizarizary ny vokatra sy ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ankehitriny.
Ny minisitry ny fampianarana dia nanambara mazava fa tsy andoavam-bola ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC . Tsy izany anefa no mitranga ankehitriny any amin’ny Zap maro eran’i Madagasikara fa takiana vola 1500 ariary hatramin’ny 3000 ariary ny mpiadina satria tsy misy, hono, ny vola ho fampandehanan-draharaha eny amin’ny EPP sy CEG. Ka tsy aleo ve zaraina ho an’ny sekolim-panjakana ho fampandehanan-draharaha ny vola toy izay hananganana indray ny fonjan’i Nosilava ? Sa araka ny resaka mandeha dia ho maro ireo olona akaiky ny fitondrana no mbola ho voasaringotra momba ny afera maloto toy ny fanondranana hazo sy vato sarobidy, ka hoe any Nosilava no mody halefa izy ireo ary avy eo dia havoaka mangingina mankany ivelany.