Andry Tsiavalona
Tsy tambo isaina intsony ny programam-pampandrosoana mampanonofy nanaovan’ny fitondran’ny filohan’ny Repoblika IV “velirano” nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Lany araka ny didy tsy azo ivalo zana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam panorenana (HCC) izy ka nanao fianihanana ny 19 Janoary 2019 ary mbola niampy indray izany. Anisan’ny foto-pivelomana tsy azo ihodivirana ny vary. Fantatry ny filohan’ny Repoblika izany ary efa tamin’ny fampielezan-kevitra izy no niresaka an’io ka iaraha-mahatsiaro ny kabary nataony tany lvohidialaAmbatondrazaka, ka nanaovany velirano fa haverina amin’ny tantsaha any an-toerana ny tany izay nolazainy fa nobodoin’ny olon-tsotra izay fantatra hoe: iza no tiany nolazaina tamin’izany. Sady hamelona ny mponina any an-toerana satria tany lonaka azo ambolena vary tsara izany tany izany no hampitombo ny famokaram-bary ihany koa satria tanjona ho an’ny fitondrana ny haha-sompitra an’i Madagasikara aty amin’ny faritra Ranomasimbe Indiana. Satria maintso ahitra koa tamin’izany fotoana izany ka nanambara Rajoelina Andry Nirina fa efa any ambony sambo ny vary hiatrehana tsy fisim-bary izay mbola hampiakatra ny vidiny ka ho varotana amin’ny vidiny mora izany vary izany mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny gasy. Ny tsy tao an-tsainy angamba dia hamono antoka ny tantsaha izany vary mora izany satria tsy afaka hampidina ny vidim-bariny izy ireo kanefa dia hitobaka eny an-tsena ny vary mora ary, angamba, mety hiditra ao amin’ny kitapombolam-panjakana ny vola miditra avy amin’izany. lzao anefa vao tonga ny vary, tsy misy anefa izany fifandrifin-javatra izany, ao anatin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ireo kandida ho depiote izao ary azo antoka fa ho entin’izy ireo hisintonana ny mpifidy ny vary tonga. Ny mampanahy koa dia efa tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena no nampanantenaina ny vary mora ka vola avy aiza izany no nanafarana azy? Avy any am-paosin-dRajoelina Andry Nirina sa nalaina tao amin’ny kitapombolam-bahoaka ka ny azy ihany no hanajana azy?
Ripaka ny ala ary tsy ny hazo tsotra no fongana fa nanaovana sy anaovana ary mbola hanaovana trafika ny hazo sarobidy, ka potika ny tontolo iainana dia nanao velirano indray ny filohan’ny Repoblika fa haverina ho Nosy maitso i Madagasikara ka efatra alina hektara (40 000 ha) isan-taona no tsy maintsy rakofana hazo ary handray anjara amin’izany ny “drone” (asa amin’ny fomba ahoana?) ankoatra izay hataon’ny andrim-panjakana isan-tokony. Efa hifarana anefa ny fotoana fambolen-kazo kanefa tsy fantatra na hampahafirin’io tanjona io no efa voavoly.
Mampivarahontsana ny Malagasy tato anatin’ny volana vitsivitsy ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fakana an-keriny, ka tsy ny vahiny intsony no mitondra faisana fa hatramin’ny Malagasy. Efa nanaovan’ny filohan’ny Repoblika velirano koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ho an’ny asan-dahalo manokana dia efa nampahafantarina ireo fitaovana toy ny fiara tsy mataho-dalana sy tsy laitry ny bala ary afaka mandeha any anaty rano. Eo koa ny fampiasana “drone” sy ny fametahana “puce intelligente” amin’ny omby hanamorana ny fanarahan-dia, rahoviana anefa no hanomboka izany hetsika izany satria efa miaro fakana an-keriny koa ny halatr’omby. Ny fakana an-keriny sy takalon’aina dia tsy fitakiam-bola fotsiny ihany sisa fa nivadika ho afera politika indray amin’izao fotoana izao toy izay nitranga tany Tsaratanana farany teo. Tsy vitan’izany fa mihatra aman’aina mihitsy ity raharaha ity ka tsy mifidy halatsa-dra ny jiolahy fa na ankizy na vehivavy na mpitandro ny filaminana dia tsy hananany antra. Tsy mbola fanatanterahana aloha hatramin’izao raha ity raharaha ity no jerena ka toa tsy laharampamehana ho an’ny mpitondra izao loza mihatra amin’ny vahoaka izao.
Nampanantenaina ihany koa ny fanafoanana ny delestazy izay anisan’ny mampirongatra ny vahoaka, toy izay nitranga tany Antalaha farany teo. Manampy trotraka ihany koa anefa ny tsy fisian’ny rano fisotro madio. Tsy ny any Atsimo ihany fa hatreto an-drenivohitra koa aza. Efa nanaovan’ny filohan’ny Repoblika velirano koa fa ho voavaha ny any Atsimo amin’ny alalan’ilay “pipe line” izay hanomboka amin’io volana Aprily afaka herinandro io ny fametra hana izany. Ka ny eto an-drenivohitra aza tsy mbola misy fanafana ka tsy tonga amin’ilay fitenenana hoe: “ny an-tratra tsy lavo, ka alao koa Rainilahibe” ve izao?
Hanangana ozinina isam-pairtra, hono, ho fampandrosoana haingana sy ho fanomezana asa ny tanora izay betsaka tokoa ny miraviravy tanana amin’izao fotoana izao, ka mba hahatongavana amin’izany dia toa homena vahiny ny tany kanefa tsy mba heverin’ny mpitondra izay hanomezana vahana ny mpandraharaha eto an-toerana. Hanampy ireo tsy manana asa koa ny tsy fanavaozana ny fifanarahana arak’asa amin’ireo mpiasa ECO ka heverina fa tsy fahaiza-mitantananana tsy fahaizana mandanjalanja no mahatonga izany fanapahankevitra izany.
Nesorina amin’ny toerany avokoa ireo mpiasam-pan jakana ambony: tale jeneraly, talem-paritry ny mini sitera rehetra, ny sefo distrika sy lehiben’ny faritra. Aman-jatony izy ireo kanefa dia tsy mbola voatendry izay hisolo azy ireny.
Tena diso manam-pahaizana ara-pitantanana ny fiainam-pirenena ny mpitondra ankehitriny ka tsy takatry ny sarababem-bahoaka intsony ny tiany hahatongavana sy ny tanjona tian’izao fitondrana izao ho tratrarina. Sa kosa mety misy hifandraisany amin’ny resaka fifidianana izao fanapahan-kevitra toa tsy hampiheverana izao kanefa tokony hitandrina ihany sao mibolisatra ka hidaraboka amin’ny fotoana tsy hampoizina.