Rajaonarimpanontsana
Mitohy foana ny fanomezana ny vahiny ny tany eto Madagasikara ary isan’ireny ny etsy Adohatapenaka nanorenana ny Gare Routière mampitohy ny RN 1, RN4, RN6. Izay eo ihany fa ny tena mampalahelo dia namidy tamin’ny vahiny, 6 miliara Ar, namidy tamin’ny Groupe Total, nomena azy ireo ny toerana eo akaiky nanaovana tobin-dasantsy.
Iaraha-mahalala anefa fa manan-tompo io tany io dia ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny alalan’ny Groupe Tiko Agri ary manana titre mazava tsara. Ny olana dia nomena ny Groupe Total, orin’asan’olon-tsotra vahiny ilay tany 4 ha ary nalaina an-keriny tamin’ny Groupe Tiko, orin’asan’olon-tsotra Malagasy. Ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny M2PATE ny taona 2009, tao anatin’ny tetik’asan’ny filoham-pirenena, nosoloin-tenan’ny Minisitra Narson Rafidimanana no nanao izay fakana amboletra ny tany teo Andohatapenaka izay ary marihana fa tsy nisy fifanarahana velively tany amin’ny CUA fa mbola miandry ny didim-pitsarana kanefa dia nalain’ny fanjakana an-keriny tsotra izao.
Tsy noraharahiana mihitsy ny fitsaràna eto amintsika fa samy maka izay tiany rehefa manam-pahefana. Ny etsy amin’ny Gare Routière Ambohimanambola dia ny orin’asa Jovenna koa no ao anatiny. Ny eny amin’ny By Pass dia ny Shell no nahazo azy. Mbola tohizan’ny fitondran-dRajoelina sy ny forongony koa io fomba ratsy io amin’izao fotoana izao ary vao mainka aza miha-mafy ny famarotana sy fanomezana tany amin’ny vahiny eto Madagasikara ity.
Ity fanomezana vahana ny vahiny , izay manao tsinontsinona ny tompon-tany Malagasy ity no tena manahirana eto amintsika. Mbola mitohy any amin’ny fitsaràna moa ny raharaha Total sy ny Groupe Tiko amin’izao fotoana izao. Bail Emphytheotique mandritra ny 50 taona no azon’ny Total ary tsy nisy akory ny fanarahana ny pitsompitson’ny fahazoana Marchés Publics fa fakana tanin’olona tsy araka ny lalàna no niseho.
Amintsika miteny izao dia an-dalana koa ilay antsoina hoe Zones Economiques Spéciales na ZES , fomba fanomezana tany ho an’ny vahiny ihany koa io, izay ny fitondran-dRajoelina no manome vahana azy. Tany aman’hetsiny na amanam-tapitrisany hekitara izao no efa voafaritra fa lasan’ny vahiny, manaraka hatramin’ny fasan-drazan’ny Malagasy mihitsy.
Izay asa goavana rehetra tsy omena ny mpandraharaha Malagasy, ny vidin’ny vary mora sy trano mora sy izay lazaina fa mora moa dia ny vahiny hatrany no ao ambadika mahazo tombontsoa. Tompony mangatak’atiny hatreto ny Malagasy fa ny teratany vahiny foana no mahazo rariny eto Madagasikara.