Manahy ny tsy hahazo laka ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza i Rajoelina ka mikoropaka manova lalàna faingana mikasika ny antenimieran-doholona na ny sénat. Isan’ny velirano nataony mantsy ny fanafoanana tanteraka io andrim-panjakana io, kanefa hitany angaha fa toa tsy ho tafita ny raharaha raha atao mizotra amin’ny tokony ho izy, izany hoe fifampiresahana sy fifandresen-dahatra, hany ka manao ny tsy fanao.
Natolotra maimaika tamin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny 23 Mey teo ny hitsivolana fanovan-dalàna tadiavin’i Rajoelina ampiarina, izay manova ny isan’ny loholona ho lasa 18, raha 63 ny isany hatramin’ny 5 Feborary 2019 lasa teo. Ka ny 6 amin’ireo 18 no voalaza fa ny filohan’ny repoblika no manendry azy. Tao anaty roa andro ihany dia nankatoavin’ny HCC ny hitsivolana na ny ordonnance n°2019-006.
Na dia azo noeritreretina hoe mitombina aza ny fikasàna ampihena ny tetibola ampiasain’ity andrim-panjakana iray ity, dia ny fomba amam-panao no mamoafady toy ny tetika sadasada izay nandamoaka hampifangaro ny fitsapam-kevibahoaka amin’ny fifidianana solombavam-bahoka ny Alatsinainy 27 Mey ho avy izao.
Raha ny tokony ho izy, ny fahefana teo am-pelantanan’ny solombavam-bahoaka dia nampindramina ny filohan’ny repoblika mandra-pahalanin’izy ireo, natao hampandeha ny raharaha, ampiasaina koa entina mampandroso ny vina izay nataon’ny filoha nandritra ny fampielezan-kevitra fa kosa voafetra ara-potoana. Ka rehefa tafapetraka soa aman-tsara ny antenimieram-pirenena vaovao dia miroso amin’ny fandaniana ny lalàna araka ny tokony ho izy ireo solombavam-bahoaka.
Saingy manahy ny tsy hahazo maro an’isa ao amin’ny antenimeram-pirenena angaha i Rajoelina ity ka tsy vitan’ny manitsakitsaka ny lalàna amin’ izao fampielezan-kevitra miseho mivantana manohana ireo kandidà mariônetiny ary etsy akaiky koa manao amboletra amin’izao fanovan-dalàna izao.
Lanzelo