HO AN’NY ELITAN’ ATSIMONDRANO

Volabe no nafafin’ise saingy indrisy fa toa tsy tafita?
Mandehana misitrika re ry mitonona fa hoe elita.
Na mahantra aza ny olona ety dia tsy olona maty fanahy,
Fa nolaviny ny mpiova loko, tia manahaka ny tanalahy.

Volabe no nafafin’ise, ny rehetra dia niara-nahita,
Saingy mafy ity faharesena ry mitonona fa hoe elita.
‘Ndeha tohizo ny varo-pinday, any angamba mandeha be ny afera
Dia ataovy veloma amin’izay fa “tsy tafa” ny antenimiera.

Volabe no nafafin’ise, saingy angaha azo ovàna ny vita?
Mionòna f’izao re no anjara ry mitonona fa hoe elita.
Be ny zava-mangidy eto an-tany, fa mangeroka ny toy izao.
Aoka ho anatrareo mpiova loko: tsy famadika ny palitao.

DADAN’i ZINA (10-06-19)