Ny fitsarana avo sisa no hany mba ho fefy farany,
Aro riakan’ny vahoaka sy ho tobim-pamaharany,
F’efa tsy azony itokiana ilay vaomiera anankiray,
Milaza ho “mahaleotena” , kanjo tena tsy izay!
Ny fitsarana avo sisa no hany mba hohenoina farany,
Raha iasan’ny Fanahy ka tena ho mendrika ny anarany:
Ho mpitsara mendri-kaja sady tsy mba hitanila,
Ka tsy hanao izay hampiakarana olona mivaralila!
Ny fitsarana avo sisa hanana an’izay hambarany,
Ka dia asa raha “hamotaka” amin’ny fotoana farany!
Fa ny antsika, izao no baiko: mivavaha hatrany hatrany,
Mba ny marina no handresy, izay dia izay irery ihany.
Ny fitsarana avo sisa avelantsika hanao ny anjarany,
Ho tena tompon-teny farany ny amin’i Madagasikarany.
Dia mirary ny hahavitany izany asa be izany,
Fa dia maso an-tapitrisa, izany no hifantoka any!
Ny fitsarana avo sisa no hanao ny fandidiana.
(Efa kivy ny vahoaka nefa hiandry am-pitoniana),
F’efa impiry impiry moa no nodisoina ny safidiny,
Saingy “gasy ka dia miandry” izay ho mamy na mangidiny!
SEDERA RAVALISON (13-06-19)