RY MPANANGON-JAORIDIRA !

Sary nindramina

Iza ianao ry olona iny, ry mpanangon-jaoridira
Ka mametraka an’ireny eo an-tokonan’olon-kafa?
Avy eo dia faly manaratsy sady tena mihirahira
F’ianao ihany no madio sy hany afaka mamafa?

Iza ianao ry olona iny, tia mihetraketra-dava
Ka manangam-pahavalo ny olon-tsotra sady marina?
Fitondram-bahoaka anie tsy vitan-dresaka sy vava,
Tsy hoe zava-maivan-danja k’azo atao kinarinarina!

Iza ianao ry olona iny, mihevitra ny tsy ho tola
Ka manitsaka ny hafa, hoenti-mampitombo laza?
‘Ndeha fantaro ry sakaiza, misy fetra anie ny vola.
(Ny vahoaka koa tsarovy, tsy azo anaovan-dresa-jaza!)

Ny malotonao fafao no sady fero tsy hiparitaka,
Ary ny efa tsara angona, aoka hiarahana manala.
Moa dia mbola zaza saina no indro faly ny mibitaka
Amin-javatra tsy hay ka maka tahaka ny adala?

DADAN’i ZINA (12-08-19)