Mifanohitra daholo raha ny zavatra nambarany.
Miovaova lava izao, toa laingalainga tsisy farany.
Aminy, hono, ny fitiavana, io no lehibe indrindra,
Kanjo hay fitiavam-bola, izay no tiany hahindrahindra.
Dia enjehiny daholo izay manakana ny diany.
Voninahitra sy vola, ireo no tena ankamamiany.
“Ny hisehoseho” hatrany no laharam-pahamehany,
Izay no fihetsiny isan’andro n’aiza toerana halehany.
Fa ny ankoatr’izay, indrisy, tsy dia misy vidiny aminy,
Raha vao tsy ahitàny vola na koa tsy ahitàny maminy.
Tena izay ilay zotram-piainany, saingy raha handao ny tany,
Moa ve hahazaka firy ny olona tahaka izany ?
Nohindrainy tany ho any fony izy nikabary:
“Amboarina ny fambolena, itarina ny voly vary”.
Kanjo nony avy eo tsy izay f’indreo totofana daholo,
Tanimbary marobe fanananay ambanivolo!
Mifanohitra daholo raha ny zavatra lazainy.
Ny mandeha lala-mahitsy, izay mihitsy no tsy hainy.
Efa zatra lalam-poza ka tsy misy andrasana aminy,
Fa dia ny mivilivily sy ny mihemotra no maminy!
Koa tsy izay vahiny tonga no hanova ny fijeriny.
Tsy izay mbola ho avy koa fa hafa mihitsy ny eritreriny.
Ny vahiny no handalo, hamela hafatra sy teny,
Saingy raha ny “tsangambato”, tsy hiova intsony ireny.
DADAN’i ZINA (06-09-19)