Andry Tsiavalona
Lasa indray ny Filohan’ny Eglizy katolika, ny Papa Fransoà, ka hiverina amin’ny fiainana andavanandro koa ny Malagasy. Tsy nisy antontan’isa moa ny habetsahan’ny olona nitsena azy tamin’ny fahatongavany teny Ivato, ka tsy afaka milaza iza no betsaka kokoa ny mpitsena azy sa ny mpitsena ny Barea? Sasanangy samy hafa, angamba ireo, satria ity farany dia hafaliana ara-nofo kanefa raha ny filazan’ny maro dia nampiara-mientana sy nampiray hina ary nisy sahy nilaza mihitsy fa nampihavana ny vahoaka malagasy ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena.
Mety ho marina izany eo amin’ny lafiny ilany, saingy etsy andaniny kosa dia tsy nampihavana ny politisiana iny toe-draharaha iny. Porofon’izany ny tranga teny amin’ny Antenimierampirenena momba ilay lalàna momba ny mpanohitra izay nifono kajikajy politika, izay mampisara-bazana ireo mitonona ho misolo vava ny vahoaka. Tsy nitovy hevitra tamin’ny Antenimierampirenena ihany koa ny tao amin’ny Antenimierandoholona, izay midika fa tsy ny toe-draharaha sahala amin’ireny no hampihavana ny gasy amin’ny ankapobeny.
Hita taratra tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra ihany koa, fa tsy mampihavana ny malagasy velively ny baolina kitra na lavalava satria fiampiampangana ho nanao kolikoly ny lany rehefa tsy lany ny kandidam-panjakana. Raha tsy nankatoavin’ny Fifa sy ny Caf ny vokatra dia azo ninoana fa gidragidra no niafaran’iny fifidianana iny. Nisy nanao kisarisary tamin’ny gazety an-tsoratra mihitsy ilay fitenenana “azo raisina fa tsy mitombina” momba ny fitoriana ny fisian’ny kolikoly.
Raha fehezina dia raha tsy ny avy any ivelany no manome ny jiro maitso dia tsy afaka hifanaraka sy hifanaja mihitsy ny samy gasy. Kolontsaina efa tsy iainan’ny gasy intsony ny “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, hafaliana ara-nofo sy nandalo ihany iny resaka Barea iny, ka “izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy”. Tsy nisy hafatra napetraky ny Barea na ny mpitarika azy ireo ho an’ny Malagasy sy ho fampandrosoana ny Firenena, fa fampanantenana hanao tsaratsara kokoa noho izay vitany no nifaranan’ny resaka ary lasa mpilalao matihanina any ivelany ireo mpilalao nisongadina.
Firenena roa anisan’ny mahantra indrindra eran-tany no notsidihan’ny Papa Fransoà dia i Mozambika sy Madagasikara ankoatry ny nosy Maorisy. Ka azo inoana fa tsy tongatonga ho azy izany, fa nisy fitaovana nampiasain’ny Fanahy Masina nibitsika taminy ho aty amintsika satria na nisy nanasa azy aza tsy ho tanteraka ny fiaviany raha tsy sitrapon’Andriamanitra.
Raha ny kabariny no dinihana dia mahalala tsara ny toe-draharaha iainan’ny Malagasy izy satria niresaka momba ny kolikoly sy ny fihavanana ary ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena izy. Nasiana resaka ihany koa ny figalabonan’ny olombitsy ao anatin’ny harena be kanefa ny maro an’isa dia miaina ao anaty fahantrana lalina ka miteraka fisaraham-bazana sy tsy fandriampahalemana izany. Namporisika ny Malagasy mba “hihavana” izy ary toa samy nankasitraka izany avokoa ny mpisehatra ara-politika rehetra, ka anisan’izany ny Amiraly Ratsiraka Didier.
Tsy ny ara-nofo velively no nanainga ny vahoaka an-tapitrisa tonga teny Soamandrakizay, ary tsy ny hahita olona amin’ny maha olona ny Papa Fransoà no nandaniana vola amin-karena, fa tena hahazoana aim-panahy sy fiadanana na dia eo aza ny adim-piainana tsy maintsy atrehina isanandro vaky izao. Nahatsapa ny tanora amana hetsiny fa ilaina ny fitalahoana amin’Andriamanitra ho an’ity Firenena ity, ka niharitra ny hatsiaka tamin’ny fotoam-bavaka izy ireo ny alin’ny sabotsy. Hifarana hatreo tokoa ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza ary ny fitiavam-boninahitra, fa tena hifampitsinjo ny Malagasy, ka hisy fampandrosoana sy hiaina ao anatin’ny fiadanana araka ny vina sy ny velirano ny Firenena.