Helisoa
Mitondra ny heviny momba ny raharaha Ambohitrimanjaka i Fanirisoa Ernaivo amin’ny maha-mpahay lalàna azy: tsy hoe rehefa expropriation na fanalana olona amin’ny tany hoy izy dia azo ekena avokoa, na tiana, na tsy tiana, na mety, na tsy mety, fa misy lalàna mandamina azy io. Alohan’ny hanaovana expropriation dia misy études d’impact environnemental na fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana atao, misy ny procédure na fepetra tsy maintsy arahina: manao ny antsoina hoe enquête de commodo et in commodo ny Fanjakana. Ny dikan’io dia henoina ny hevitry ny tompon-tany sy ny manodidina mikasika ilay tetikasa, ny tomban’ny vidiny sy ny tombontsoa, ifampierana ny onitra sy ny toerana amindrana. Izay vao mamoaka didim-panjakana, na décret portant expropriation pour cause d’utilité publique ny fanjakana, ny fifampiresahana amin’ny avantages sy inconvénients amin’ny mponina ary misy ny fifampidinihina momba ny hametrahana ireo olona voatery hoesorina. Tsy vitan’ny hoe nanao velirano (acte unilatéral) dia ny olona rehetra no voafatotra amin’ilay velirano, ka afaka dinganina ireo voalazan’ny lalàna rehetra mikasika ny fanatanterahana izany expropriation izany.
Raha tsy tanteraka ireo rehetra voalaza ireo, dia EXPROPRIATION ILLEGALE, ABUSIVE, CRIME CONTRE L’HUMANITÉ no anarany. Afaka toriana eny amin’ny Conseil d’Etat sy any amin’ny Cour Pénale Internationale na CPI. Tsy ny Projet Tanamasoandro no ratsy hoy Fanirisoa Ernaivo, fa ny toerana nisafidiana ametrahana azy no olana. Tsy misy mandà hoe feno Antananarivo renivohitra fa tsy azo eritreretina kosa ny hanotofana tanimbary mahavokatra be amina hekitara nefa ny tanimbary aza mbola mila ampitomboina.
Anisan’ny velirano ihany koa ny fampitomboana ny tany hambolena hoy ity mpahay lalàna ity fa nahoana no tsy hajaina koa? Dia aza mikiry amin’ny fanapahan-kevitra diso re fa tsinjovy ihany ny mety ho voka-dratsiny hoy Faniry. Izao efa misy maratra sy maty ka sao hanenenana hoy izy.