Sôh’son
Misy fitenenana mipoitra rehefa mitady hiseho ny tranga iray amin’ny fanadinoana ny tena zava-dehibe hotanterahina manao hoe « ny faty halevina indray no adino ». Dia toy izany no tsikaritra rehefa mikasa ny hanorina trano ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina eny Ambohitsorohitra ny fitondrana.
Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana, dia tsy maintsy mijery ny fototra niaingana isika eo amin’io tontolo io. Ny fototra niaingana dia ilay tena maha Malagasy ny Malagasy, ilay soatoavina nampiavaka azy hatrany am-piandohany. Isika Malagasy tsy toa an-dry zareo Amerikana ka tsy manana tanindrazana iombonana, fa firenena iombonana ny azy. Isika tsy izany fa manana tanindrazana nolovaina avy amin’ireo razambe fahagola, ary nanana izay fototra nampiavaka azy tanteraka amin’ny hafa izay ny Malagasy. Ny toe-po amam-panahiny sy ny toe-tsainy mbamin’ny fomba fiheverany dia mifamatotra amin’izany eo amin’ny fomba fiainany andavanandro. Iray lehibe ifotoran’ny soatoaviny ny fandalana ny fihavanana. Tsy ny Malagasy velively no hanao an-tsirambina an’io ary mankararirary ny sainy, mahatsontsana ny fony rehefa sanatria misy ny fahatohintohinany. Tsy mianona fotsiny amin’izay fahararian’ny fihavanana izay anefa izay fa tsy ifotorany fatratra ny mamerina amin’ny laoniny izany. Tsy andrasany aman-taonany maro izany fa rehefa mitsidika ny fiandohan’ny taona Malagasy no manao an’io fanasitranana ny fihavanana sy manadio ny fiaraha-monina io izy ary dia miverina mirindra sy mahafinaritra tanteraka ny fiainany.
Tsiahy ihany izany fa maro amin’ireo olona lohandohan’ny “mpisorona” miketrika izany tranon’ny zava-kanto sy kolontsaina izany no mahafantatra izany tsara. Rehefa nohenoina anefa ny fikendrena sy ny zavatra hita ao anatiny mbamin’ny nambara tao anaty kabary samihafa re dia tsy heno mihitsy ny filazalazana sy mba fikasana hanamafy io fihavanana eo amin’ny samy Malagasy io. Toy ny nikimpiana na natao anjorombala io fototra lehibe io. Hany nampametram-panontaniana ny mpandinika ihany hoe hifototra amin’inona ny zavakanto sy kolontsaina mbamin’ny literatiora, sns,… “hovelomina” ao? Sa ho zava-kanto sy kolontsaina hitsingevaheva no tiana ho beazina eto amin’ny firenena? Raha mbola atao anjorom-bala ihany ity momba ny fihavanana sy fampihavanana ity dia hamitaka ny taranaka any aoriana ihany ny ankehitriny, satria misy zavatra banga lehibe ao, zavakanto sy kolontsaina mandringa na koa toy ny “zazasary”. Tsy iarahana miombon-kevitra anefa izany, fa zary mampahatsiahy ny tononkalon-dRandza Zanamihoatra “Eny ho’aho Ramalagasy…”. Ary ny fitondrana manao izany dia tsy azo itokisana velively.