Alarobia 27 novambra – Tongava mifidy, hifidy an’i Rina, sy hifidy ny kandidà TIM sy ny mpiara-dia aminy rehetra manerana ny Nosy

Isambilo

Carnaval lehibe, tamin’ny alalan’ny tandahatra fiarakodia maro, niaraka tamin’ireo mpitondra taxi eto Antananarivo Renivohitra omaly, no nanohizan’ny kandidà ben’ny tanàna Rina N°2 eto Antananarivo, sy ireo mpanolotsaina TIM miaraka aminy laharana faha-4, ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo, nanerana ireo arabe maro eto an-drenivohitra. Ombieny ombieny, mbola nanamafy ny fanohanana an’i Rina ny olona tamin’ny toerana rehetra izay nolalovany, tamin’ny alalan’ny hiaka, sy horakoraka ary antsoantso nanambara fa “Rina tsy maintsy mandresy, Rina no ho ben’ny tanàna, ok e!”. Fa tetsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo ny faradoboka ho an’Antananarivo ny sabotsy teo: Rodorodon’Antananarivo niarahana tamin’i Rina, dia an-tongotra nanomboka teo Mahamasina, nandalo an’i Tsimbazaza sy Ambanidia ary nihazo ny kianjan’Ambohijatovo nanatanterahana ny faradoboka no niarahan’i Rina kandidà laharana faha 2 tamin’ny vahoakan’Antananarivo tamin’izany.

Fanomezan-toky ny hampivoatra sy hanatsara ny fiainan’ny mponina sy ny toeram-ponenany, no nambaran’i Rina ampahibemaso teo Ambohijatovo. Andro sisa isaina dia handray ny toerana maha Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra azy i Rina Randriamasinoro, kandidà laharana faharoa. Azo antoka fa ho lany i Rina satria mahatoky azy 100% ny mponin’Antananarivo. Na izany aza anefa dia mila mailo ny olompirenena tsirairay mandritra ny androm-pifidianana, ka hanaramaso sy hiaro ny safidy tsy ho voahodinkodina, hoy ny Filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana.

Tamin’izany ihany koa no niantsoan’I Dada ny vahoaka Malagasy rehetra hifidy ireo kandidà ben’ny tanàna TIM sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy avy, ary ireo kandidà miara-dia amin’ny antokony amin’ny fifidianana ny alarobia 27 novambra ho avy izao io. Naniry tokoa aho hoy izy ny hanotrona ireo kandidà TIM rehetra manerana ny Nosy tamin’izao propagandy izao, nefa tsy afa-nanoatra. Na izany aza hoy izy, Antananarivo dia efa mahasolo an’i Madagasikara, satria eto an-drenivohitra avokoa ny foko 18 eto amin’ny Nosy.

Mbola nanamafy kosa ny tokony hiarovana ny safidy, sy ny fisorohana ny hosoka sy ny halabato ny depioten’Antananarivo, Me Hanitra Razafimanantsoa, hanao andrimasom-pokonolona isika hoy izy ny alarobia ho avy izao eny amin’ireo birao fandatsaham-bato rehetra, ka hijery izay zavatra rehetra mety hampanahy mandritra izany, ary hampita ny vaovao haingana raha misy ny trangana hala-bato sy hosoka. Efa mandresy isika, efa mandresy i Rina, sy ny mpanolotsaina TIM miaraka aminy, hoy ity olom-boafidy ity, satria tamin’ny fifidianana depiote farany teo dia efa nahazo tombom-baton’ny mpifidy 45000 tany ho any ny TIM, mbola hitombo be noho izany aza io vato io amin’ny alarobia ho avy izao, ka tena havesatra ny fandresena, ho be ny elanelana hoy izy. Na izany aza, mila mailo foana.

Latsa-bato tokoa sisa handrasana, fa efa ho ben’ny tanàna i Rina ary toerana mendrika azy izany!