Me Hanitra – Ny androm-pifidianana (Alarobia 27 Novambra 2019) – Hanao andrimasom-pokonolona isika hiaro ny safidintsika

Efa fantatra fa tsy maintsy hanao ny fomba ratsy fanaony hatramin’izay ireo matahotra ny safidimbahoaka, koa hijoro isika araka ny nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo manao hoe: tsy hisy hanaiky intsony amin’ity indray mitoraka ity, hirodorodo isika handrotsabato ary ho tonga mavitrika hanao andrimasompokonolona koa, hiambina eny amin’ny tokontanin’ny birao fandatsahambato, ho vitantsika izany fa tsy ampahafirin’ny enintaona teny amin’ny Magro nitolomantsika nitaky ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana, hanaramaso ny fihetsikin’ny sefo fokontany sy ireo mpikirakira ny latsabato isika, ento ny sakafo ifampizarana, ny finday misy fakantsary, raha misy ny tsy fanarahan-dalàna dia tsy ela amin’ny zavatra hay isika amin’ny fanelezambaovao, fantatra fa hisy mpitandro filaminana hanao ny asany, tsy hila kisa isika fa hifanaja ary homentsika mofo sy akondro aza izy ireny.

Fadiantsika ny mitondra zava-maranitra, tsy manao T-shirt mampiavaka antsika isika ary tsy tokony hisy na dia iray aza amintsika ho mamo na dia hamofompofona toaka, fa mahavery ny rariny hananantsika izany, ento ny elo sy fitafy aro orana, mila miray hina tsara isika ary mba mihafy kely miharitra hatramin’ny farany satria efa manangasanga ny fandresena.

Ny Valosoa